Taratra

ICC 2025 – Voalohany tamin’ny « dessert » : Fahefatra maneran-tany i Madagasikara

«International Catering Cup» 2025 na «Coupe du monde des traiteurs» 2025. Tsy nitsanga-menatra ny so­lontena Malagasy nandray anjara tamin’ity fifaninanana iraisam-pirenena lehibe mo­mba ny fandrahoan-tsakafo sy ny tontolony ity. Azon’ny ekipa notarihin’i Chef Lalaina Ra­velo­manana nahitana an’i Cheffe Fenosoa Rahaja­ma­lala sy Cheffe Bodo Rakoto­vao ny laharana voalohany maneran-tany, teo amin’ny […]

Fomban-drazana : Mitohy ny fampahafantarana

24 janoary, Andro iraisam-pirenena ho an’ny kolontsaina afrikanina, omaly. Tsy mba nanamarika izany i Madagasikara hatramin’izay, kanefa dia fotoana iray fanehoana ny fototra, ny fomba ny fiizina ary ny kolontsain’ny firenena afrikanina izy ity. Nanao hetsika kosa ireo mpandala ny fomban-drazana, ka nanao diabe niakatra teny Anatirova. Narahin’ny fanehoana ny […]

Nohavaozina ny fiaraha-miasa : Lion Hill, masoivohon’ny Orange Madagascar

Nety ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta. Havaozina izany ho an’ny taona 2025, ka hitondra teny sy hisolo tena ny Orange Madagascar hatrany i Lion Hill. Anisan’ireo mpanakanto malaza amin’izao fotoana izao i Lion Hill. Tano­ra manana vina sy firehana mifanaraka amin’ny fijerin’ny Orange Madagascar, nosafidian’ity farany ho ambasadaorony, nanomboka […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony ho samy tomponandraikitra ny rehetra ary aoka hanatanteraka ny adidiny ny tsirairay, araka ny nambaran’ny depiote Rakotoarisoa Jhonny, afakomaly. Nametraka ny ben’ny tanànan’Ivato ny tenany tamin’ izany ary nanentana ny rehetra mba tsy hifanome tsiny na hitsikera befahatany. “Aoka isika ho mpitondra vahaolana”, hoy izy. Nampahafantatra ny lanjan’ny fiarahamonim-pirenena […]

Minisitra Andriantsitohaina Naina : “Ampy izay ny korontana politika”

“Efa ampy izay ny koron­tana politika sy ny fikoronta­nana mitranga. Maniry hifantoka amin’ny fiainany sy ny asany andavanandro ny vahoaka. Tonga ny fotoana mba hahazoantsika hiara-miasa ao anatin’ny fahatoniana, hiala amin’ ny ady sy ny fifandrafiana, ary hifantoka tanteraka amin’ny fampandrosoana”. Io ny kabarin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana […]