Naharitra adiny roa ora mahery ny famonoana ny afo nataon’ny mpamonjy voina tao amin’ny trano fonenan’ny mpianatra Cité Prefat N ao Andrainjato Fianarantsoa, afakomaly. Niantomboka tamin’ny efitrano iray ny firehetana, tamin’ny 9 ora alina. Niitatra tao anatin’ny minitra vitsy monja tamin’ireo efitra nifanila taminy izany. Nikoropaka samy namoaka izay entana […]
Taratra
Ao anatin’ny telo andro ho avy : Ho maina ny andro amin’ny ankapobeny
Mbola hitohy hatrany ny orana tandrifin-drahona ho an’ny faritra afovoany andrefana sy avaratra andrefan’ny Nosy, manomboka androany hatramin’ny alatsinainy ho avy izao, raha ny fampahafantarana navoakan’ny foibe famantarana ny toetr’andro. Ho maina kosa ny any amin’ny faritra ambiny rehetra, raha ny vinan’izy ireo hatrany. Ho an’ny toetr’andro, anio manokana, hisy […]
TARATRY ny KANTO
Hitondra atrikasa mahakasika ny fanaovana petakofehy eny amin’ny Fondation H Ambatomena i Carine Ratovonarivo, anio. Ho hita mandritra izany avokoa ny antsipiriany amin’ny fanaovana petakofehy, miantomboka amin’ny fifidianana kofehy ka miafara any amin’ ny fanaingoana ny asa vita. Ilay atao fitaratra mihitsy no tsy hita. Endriky ny kolontsaina ankehitriny io? […]
«Le Meilleur Patissier» : Tafita amin’ny famaranana Razafinimanana Tsiory
Tontosa ny alakamisy teo, tany Frantsa, ny dingan’ny manasa-dalana amin’ny fifaninanana “Le Meilleur Patissier”. Tafakatra amin’ny dingan’ny famaranana i Tsiory Razafinimanana. Ny Televiziona M26 ao Frantsa no nikarakara ny fifaninanana izay efa miditra eo amin’ny andiany faha-13. Haify sy nahandro no tsaraina sy hasongadina ao anatin’izany. Ankoatra ny fitrandrahana ireo […]
Tsanganafo: Efa nivoaka ny laharana faha-11
Azon’ny rehetra jifaina nanomboka ny fiandohan’ny volana janoary ny Tsanganafo, laharana faha-11. Revio niomerika ahitana lahatsoratra maro samihafa momba ny tantaran’i Madagasikara, ny fomba amam-panao malagasy, teny, literatiora, ireo karazana kabary. Hita ao anatin’ny koa ny momba ireo harena voajanahary eto Madagasikara sy ny zavakanto. Tomponandraikitra amin’ny famolavolana sy fanatontosana […]




