Manomboka mampahafantatra ny vina 2025 ny mpanakanto. Anisan’ny misongadina amin’izany ny famoahana boky sy ny sanganasan’izy ireo. Tsy ny mpanoratra ihany fa saika ahitana an’io avokoa ny kanto ankapobeny. Hamoaka boky izahay! Io ny ankamaroan’ny vina na dingana hotanterahin’ny tontolon’ny kolontsaina amin’ity taona 2025 ity. Ireo mpanoratra hamoaka ny sanganasany […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Mampanao fifaninanana ho an’ny tanora ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara. Miompana amin’ny fahaizana mandresy lahatra tetikasa ny fifaninanana, manome vahaolana mahakasika ny fiovan’ny toetr’ andro, ny fampandrosoana entin’ny teknolojia niomerika ary ny sehatry ny indostria vaovao. Mialoha ny 26 janoary izao ny fara-fandraisana ny antontan-taratasy. Miisa 15 000 ny zana-kazo hozaraina […]
Vidin-tsigara : Nidina 1 440Ar ny « droit d’accise »
Nahena ny hetra tsy mivantana alaina amin’ny fandaniana na “droit d’accise” ho an’ny sigara. Lasa 1 440Ar izany amin’izao fotoana, raha toa ka 1 470Ar teo aloha. Fepetra napetraka ho an’ireo fonosana misy sigara 20. Manodidina ny 50 ka hatramin’ny 70%, izany hoe, tsy niova kosa ny taha alaina amin’ny sigara (tabacs […]
Letisia: Tafakatra 6 000Ar ny kilao
Lafo sady tsy marin-toerana ny vidin’ny letisia eny an-tsena, amin’izao fotoana. Mahatratra 6 000Ar ny kilao eny Ivandry, ho an’ny vokatra tsara kalitao, raha toa ka vidina 3 500Ar izany eny amin’ny tsenan’Andravoahangy ho an’ireo letisia tsy mbola masaka tsara. Vokany, mihena ka tsy maharisika ny mpanjifa intsony ny vokatra. […]
Lalana : Ho vita amin’ny septambra ny ampahany amin’ny RN13
Anisan’ny tetikasa roa lehibe ataon’ny fanjakana ny fanamboaran-dalana any atsimo. Misongadina amin’izany ny lalam-pirenena ampahany RN13, sy ny RN10, Andranovory-Ambovombe. Mandeha ny fanamboaran-dalana, hatao godirao ny ampahan’ny lalam-pirenena faha-13, Taolagnaro hatrany Ambovombe. Mirefy 114 km ity lalana ity ary efa vita hatrany amin’ny 65% ny asa, ataon’ny orinasa Colas, famatsiam-bola […]




