Taratra

INDRAY MIJERY

Andrasana ny fahatongavan’i Mathias Madi amin’ny dingana faran’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika taranja basikety, lalaovin’olona 5, hatao ny volana febroary izao. Tsiahivina fa tsy tonga izy nandritra ny dingana voalohany tamin’ity fifanintsanana ity saingy mety ho avy kosa amin’io febroary io. Nahavita nanatsara zava-bita nasionaly 4 ny Malagasy mpilomano, […]

Federasion’ny Kung Fu : Mitety faritra sy manao famelabelaran-kevitra

Tsy misy fiovana fa manohy hatrany ny fitetezam-paritra fanaony ny eo anivon’ny Fe­derasiona malagasin’ ny Kung fu. Amin’ity taona 2025 ity, any amin’ny ligin’ny Vakinankaratra no hisantarana izany fitetezam-paritra izany, tarihin’ny Grand Maitre Avoko. Ny sabotsy 11 sy alahady 12 janoary no hanaovana ity hetsika ity ka efa misy ny […]

Handball – Tamberina 2024: Tsy ampy serasera ny federasiona

Miezaka hatrany ny komity mpitantana eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny handball (FMHB), eo amin’ny fampiroboroboana ny taranja raha tamin’iny taona lasa 2024 iny. Na eo aza izany, mbola manana fahasahiranana izy ireo eo amin’ny serasera. Vokany, tsy tonga ny mpijery na maimaimpoana aza ny fidirana. Etsy ankilany, betsaka ireo tanora efa […]

Barea de Madagascar: Hanao lalao fanomanana efatra, hiatrehana ny Chan 2024

Zava-dehibe ho an’ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF) ny “Chan 2025”. Hisy lalao sedra miisa efatra hataon’ny Barea ho fanomanana izany. Nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Andrefan’ Ampbo­hijanahary, omaly i Andriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nambarany tamin’izany fa hatao matotra ny fanomanan’ny Barea de Mada­gascar ny […]

Fiovan’ny toetr’andro : Nihemotra ny fotoana hanetsan’ ny tantsaha amin’ity taona ity

« Mihemotra ny fotoana hanetsan’ny tantsaha amin’ity taona ity noho ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny tsy fisian’ny orana», hoy ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’i Faratsiho, Ramilison Nomenjanahary, omaly, raha nanontaniana. Mijaly ny ankamaroan’ny tantsaha any amin’ny disitrika maro ary anisan’izany ny any Faratsiho. Na dia teo aza ny orana nilatsaka […]