Taratra

TSELATRA

Efatra no maty, olona iray namono tena, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona, tany amin’ny distrikan’Antsirabe, faritra Vakinankaratra, raha ny tatitra voaray omaly. Raha ny fantatra, maty vokatry ny fibobohana toaka diso tafahoatra ny olona roa tamin’ireo. Maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana kosa ny iray hafa. Azo lazaina fa nilamina […]

Mamo am-perinasa : Miaramila kaporaly nitifitra nahafaty olona

Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray notifirin’ny miaramila kaporaly tao Fia­danana, kaominina ambanivohitr’i Sarobaratra Tsarata­nàna, ny voalohan’ny volana janoary teo. Mamo teo am-perinasa izy ka norarafany tifitra ilay niharam-boina. Nisa­hana fiam­benana banky iray ao Bekapaika ity miaramila kaporaly nitifitra nahafaty olona ity. Nahazo fampitam-baovao avy amin’ny filohan’ny Dina ny zandary […]

Ambohidahy Ankadindramamy : Fatin’olona natsikafin’ ny honahona

Tsy nisy namantarana azy intsony, fatin’olona iray natsingevan’ny honahona teny amin’ny fokontany Ambohidahy Ankadindramamy, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra ny fisian’io tranga io. Niantso ny manodidina, nozahana kinanjo fatin’olona efa nibontsina sy simba tanteraka io hitan’izy ireo io. Niantso ny tomponandraikitry ny fokontany avy hatrany izy ireo. Nigadona teny an-toerana […]

Vokatry ny hasarotam-piaro : Lehilahy namono tena, nanapaka ny tendam-badiny

Notapahin-drangahy ny tendan’ny tovovavy iray vao 20 taona, nanao tokantrano imaso taminy. Voalaza ho anton’izany ny hasarotam-piaro. Namono tena koa izy avy eo. Maty novonoim-badiny ny tovovavy iray vao 20 taona, tao amin’ny tanànan’Antanananivo Iso­kitra, fokontany Andravina­mbo, Antsirabe Avaratra, ny atoandron’ny voalohan’ny volana janoary. “Ren’ny manodidina nifamaly izy mivady ireo […]

Raharaha 60 tapitrisa Ariary: Ramatoa iray niakatra fampanoavana

Natolotra ny fampanoavana, omaly, ny renim-pianakaviana misahana ny fandoavam-bolan’ny hopitaly iray ao Toamasina. Niaraka tamin’ireo vavolombelona roa samihafa miasa ao an-toerana. Raha tsiahivina, nisy jiolahy roa lahy niditra an-keriny tao anivon’ny hopitaly Be Toamasina. Intelo niditra varavarana izy ireo vao tonga tany amin’ny caisse. Nisy nahatsikaritra ny fidiran’izy ireo tao […]