Taratra

Fanadinana CEPE: Hanomboka ny 6 janoary ka hatramin’ ny 28 febroary ny fisoratana anarana

Hanomboka ny alatsinainy ho avy izao ny roa volana fahatelo amin’ny taom-pianarana sy ny fandraisana ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE. Ny 8 janoary vao handray ny fampianarana telo volana faharoa kosa ny sampana teknika. Hiroso amin’ny telo volana fahatelo amin’ny taom-pianarana 2024-2025 ny mpianatra amin’ny ambaratonga rehetra, manomboka […]

FANTINA sy FINTINA

Amin’ny 19 janoary izao, eny amin’ny FLM 67 Ha, ny famindram-pitantanana ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM). Ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Raelison Jean de Dieu, indray no ho filoha, araka ny fifandimbiasam-pitantanana. Izy no mandimby ny filohan’ny FLM, ny pasitora Rakotozafy Denis. Ny fifidianana loholona indray no miandry ny […]

Ratsirahonana Lalaina : «Aoka samy hiasa sy handray ny andraikitra manandrify azy»

“Samia manetry tena sy mahay mifamela heloka isika Malagasy. Aoka samy hiasa sy handray andraikitra amin’ izay toerana misy antsika tsirairay avy”, hoy Ratsira­honana Lalaina. Naneho hevitra manoloana ny zava-misy iainan’ny Malagasy ny tenany nandritra ny firariana soa noho ny taona vaovao. An­koatra izay, tao anatin’izany fanehoan-kevitra izany ihany koa […]

Tsy mahalala menatra

  Hifarana amin’ity herinandro ity ny fotoana fialantsasatra. Hiditra hianatra ny mpianatra amin’ny alatsinainy. Hiverina miasa tanteraka ny mpiasa. Mitohy ny raharaham-pirenena. Manohy ny asany ny mpitondra fanjakana. Hiverina amin’ny alarobia izao ny filankevitry ny minisitra. Midika izany fa miditra amin’ny fanodinana ny raharaham-panjakana sy ny fiainam-bahoaka ireo mpindrana fahefana. […]

Vahoaka miray : «Hatambatra amin’izay ny lalan’ny mpanohitra»

Nisy ny fihaonana teo amin’ireo antoko mivondrona ao anatin’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, omaly, teny Bel’Air. Tao anatin’izany no nanambaran’izy ireo ny fijoroana manoloana ny tsy rariny iainan’ny Malagasy. “Tsy hoe miady ny mpanohitra, fa samy nitarika tany amin’ny nandehanany fotsiny. Tokony hatao iray amin’izay ny handehanana, […]