Taratra

Asa tanana vita amin’ny hoditr’omby : Olan’ny mpisehatra ny fahavitsian’ny akora fototra

Misedra olana ny mpanao asa tanana vita amin’ny hoditr’omby, amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavan’ny mpivarotra nanontaniana. Mihavitsy ny akora fototra alaina eny anivon’ny abattoir na toerana famonoana omby eto an-toerana amin’izao fotoana izao. Nambaran’ireo mpivarotra fa efa misy mamandrika mialoha izy ireny ka tsy mahazo ny tsara intsony ny […]

fahafatesana – BMH : Mahavoasazy ny tsy fanambarana

Nanao fampahafantarana tao anaty tambajotran-tserasera ny sampandraharaha misahana ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa tsy maintsy hanaovana filazana fahafatesana eny amin’ny Bureau municipal d’hygiène (BMH) Antananarivo avokoa ireo olona maty. Na teny amin’ny hopitaly na toeram-pitsaboana na tany an-tokantrano no maty ilay […]

Fanalana tavy amin’ny vatana : Efa misy ny misafidy hanao « liposuccion” 

Fomba iray azo hanalana ny tavy eo amin’ny faritra iray na maromaro amin’ny vatan’ny olona ny « liposuccion ». Efa misy ny Malagasy misafidy ny hanao azy eto Antananarivo. Ny tavy eo anelanelan’ny hoditra sy ny nofo (muscle) no esorina amin’ny alalan’ny fandidiana. Lavahana kely eo amin’ny faritry ny tavy miangona hampidirana […]

INDRAY MIJERY

Hatramin’ny 15 janoary ho avy izao, tsy mbola hisy herijika hisiana rotsakorana mihitsy ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro any an-toerana. Mety hisy tandrifin-drahona mitsitokotoko ihany indraindray amin’ny toerana sasany. Natomboka ny fanadihadiana nasionaly ahafahana mandrefy ny tsy fahampiana kasinga manerana ny faritra […]

Distrikan’ i Mahajanga I: Nofanina ireo Juniors Reporter Club

Notanterahina tamin’ity herinandro ity, naharitra roa andro, ny fanofanana ireo Juniors Reporter Club (JRC) ao amin’ny distrikan’ i Mahajanga I. Ankizy miisa 45, eo anelanelan’ny 12-16 taona, no nisitraka izany. Niara nanatanteraka ny fanofanana ny sampandraharaham-paritry ny Mponina Boeny, ny minisiteran’ny Tanora, Ko­lontsaina sy serasera ary ny Fanabeazam-pirenena. Lohahevitra nampianarina […]