Taratra

Vanim-potoan’ny fety: Arahi-maso ny vidin’entana sy ny kalitaony

Hentitra amin’ny fanaraha-maso ny tsena ny avy amin’ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra (MIC), amin’izao fetin’ny faran’ny taona izao. Tanjona ny hiarovana ny mpanjifa ma­noloana ny mety ho fanararaotana amin’ny endriny samihafa. Miparitaka manerana ny Nosy ireo mpanara-maso ka jerena akaiky ny entana amidy mba ho entana tsara kalitao. […]

Tetikasa Purpa: Nanohana mpamo­katra maherin’ny 115 900

Maherin’ny 115 900 ireo mpamokatra manerana ny faritra 20 nisitraka tohana avy amin’ny « Projet d’urgence de renforcement de la production alimentaire à Madagascar » (Purpa) sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy hatramin’ny nisiany teto Madagasikara, ny taona 2022. Nanamafy ny rafi-pambolena tamin’ny alalan’ny fanatsarana ny famokarana masomboly sy ho fampiroboroboana ny famokarana sakafo eto […]

Tao anatin’ny 12 volana : Tsy nitsaha-niakatra ny vidim-bary

Tsy mitsahatra mitombo sady tsy marin-toerana ny vidim-bary nandritra ny herintaona. Nahitana elanelana hatramin’ny 1000Ar isaky ny kilao ny vidiny eo amin’ny tsena anatiny. Mitombo hatrany ny vi­dim-bary eny an-tsena amin’izao fotoana, raha nanomboka tany amin’ny 2 400Ar ny kilao ny volana janoary. Ankehitriny, tafakatra hatrany amin’ny 4 000Ar ny […]

TSELATRA

Na eo aza ny fisian’ireo mpitandro filaminana eo Ambohijatovo, manao ny ataony hatrany ny mpanendaka. Efa-mianaka avy nijery jiro mirehidrehitra teny amin’ny zaridainan’Ambohijatovo no niharan’ny fanendahan-jiolahy, ny faran’ny herinandro teo. Lasan’ireo mpanendaka ny vola sy ny finday avo lenta avy nakan’ izy efa-mianaka sary. Voasambotry ny zandary tao amin’ny fokontany […]

Andoharanofotsy : Tra-tehaka ilay nisandoka ho inspektera

Nosamborin’ny zandary na­nao fisafoana ny lehilahy ni­sandoka ho inspektera, teny Andoharanofotsy, ny 28 de­sambra teo. Nitaky vola amin’ ireo taxi-be mpitatitra eny an-toerana io mpisoloky io. Nan­dalo nanao ny asany, tsikaritry ny mpitandro filaminana ny fi­hetsika mampiahiahy ataon’io lehilahy io. Voatery nanama­rina ny tena anton’asan’ilay voa­­­laza fa mampiahiahy, araka izany, […]