Tratra niaraka tamin’ny zava-mahadomelina mahery vaika (Cocaïne) tao amina trano fandraisam-bahiny iray eny Mandrosoa Ivato, omaly, ny teratany sinoa iray 49 taona. Nahazo fampitam-baovao mialoha ireo zandary miasa sy manao asa fisafoana eny Mandrosoa Ivato, momba ny fisian’ity sinoa mpanao trafikana cocaïne ity. Mipetraka ao amina hotely iray izy io, […]
Taratra
Adiny roa nifampitadiavana: Mpianaka niara-maty natelin’ny rano
Niara-namoy ny ainy ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy vokatry ny ora-nikija tao Fenoarivobe, omaly maraina. Nentin’ny rano izy mianaka. Ora iray taorian’ny nahalasa ny rano azy, hitan’ ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ny vatana mangatsiakan’ny renim-pianakaviana iray, 34 taona, nentin’ny rano tampoka, tao Ambohimanatrika, fokontany Ankadibevava, kaominina […]
Hiaraka hitady asa : Tambajotrana haitaky hanampiana ny tanora
Nijoro ny tambajotra “Hiaraka hitady asa”, hivondrona hanampy ny tanora mitovy aminy hikaroka asa. Manohana ny hetsika ny Observatoire de la jeunesse eto amintsika satria mitovy ny tanjona: samy hanao tantsoroka ho an’ny tanora. Hatambatra ny hery hanamora ny fitadiavana asa sy hampahafantatra ireo orinasa maro fa betsaka ny tanora […]
INDRAY MIJERY
Nanokana fandaharanasa hanomezana vatsim-pianarana roa ho an’ny mpianatra manaraka ny fianarana teny sy kolontsaina japoney ny fanjakana japoney. Tafiditra ao koa ireo mpampianatra eny amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa. Hifarana ny 14 febroary 2025 ny fanaterana ny antontan-taratasy fangatahana, eny Ivandry. Natao tany amin’ny tanànan’i Osaka-Japon ny fivoriana maneran-tany momba […]
Toetry ny andro : Hanorana eto afovoantany, rahampitso
Tsio-drivotra avy Atsinanana, amin’ny ankapobeny, no handrafitra ny mety ho toetry ny andro, izay tsy marin-toerana any amin’ny ilany andrefana sy avaratra andrefan’ny Nosy ho an’ny telo andro manaraka. Vinan’ny toetry ny andro rahampitso, ny tolakandro sy ny takariva na ny alina: hanoram-baratra mitsitokotoko any Menabe, Melaky, Boeny, Sofia ary […]




