Notontosaina teny amin’ny Kianja Elgeco Plus By pass, omaly, ny manasa-dalan’ny fifaninanana baolina kitra, “Grand Tournoi Antananarivo”. Ny ekipan’ny Cosfa Miaramila sy ny CFFA Andoharanofotsy no tafavoaka hanao famaranana sy hiady ilay lelavola 20 tapitrisa Ariary amin’izany. Raha hiverenana ny voka-dalaon’izy ireo, ny ekipan’ny Cosfa nandresy ny Avenir Ste Anne […]
Taratra
DAKA AN-JORONY: Toy ny soavaly vao tsy mahalala an’Imahamasina
Fahiny, sady toerana fanaovam-baolina no fihazakazahan-tsoavaly ny tao Imahamasina. Mifandimby ao ireo taranja roa ireo rehefa faran’ny herinandro. Ho an’ny mpankafy «tiercé», amin’ny fifaninanan’ny soavaly dia mahafantatra tsara ny biby efa zatra ady. Vao migadona eo Imahamasina ny tongony efatra dia efa fantany izay alehany. Fa eo koa anefa ireo […]
Rugby – « Africa Women’s Sevens »: laharana fahefatra ny Makis Ladies, ekipam-pirenena malagasy
Nody maina ny Makis Ladies tamin’ity. Laharana fahefatra no nisy azy ireo, nandritra ny fiadiana ny “Africa Women’s Sevens”, taranja rugby lalaovina olona 7. Lavon’ny The Cranes Ouganda izy ireo nandritra ny fiadiana ny medaly alimo. Namotsotra ny tapakila tokony hiatrehina ny “Challengers Series 2025”, ny Makis Ladies. Laharana fahefatra […]
Sombim-baovao
Efa tonga any Afrika Atsimo ny delegasiona malagasy Barea de Madagascar sy ireo mpilalao valo mirahalahy, avy eto an-toerana. Andrasana manomboka anio kosa ny fahatongavan’ireo mpilaravinahitra any ivelany. Tsiahivina fa i Tendry, tsy anisan’ireo handrafitra ny Barea amin’ity noho ny resaka taratasy izay hataony ao amin’ny klioba Enppi Egypta. Nahazo […]
Bodybulding : Top 5 maneran-tany i Arnaud, Fenohery ary i Anicet
Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Bodybulding, natao tany Maldives, ny faran’ny herinandro teo. Samy tafiditra “Top 5” avokoa ny bokona hozatra, sokajy lehilahy, solontena malagasy, nahitana an-dRalaiharitiana Léonce Annicet, Rakotoarisoa Nomenjanahary Fenohery ary Ramahavonjy Arnaud Hubert. Nahavita nandresy lahatra ny mpitsara izy ireo, na […]




