Efa namoaka ny vinavinan’ny tetiandro hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ny eo anivon’ny FFKM. Hiroso miandalana izany ka hahatongavana hatrany amin’ny fifidianana. Nambaran’ny loharanom-baovao fa hanomboka eny ifotony ny fakan-kevitra. «Hosantarina ny fiandohan’ny volana aogositra izao izany ka hatomboka any anivon’ny fokontany. Hitohy amin’ny fakan-kevitra eo anivon’ny kaominina sy ny faritra izany […]
Taratra
TSELATRA
Olona efatra mpanamparitaka vola sandoka tra-tehaka tao Ambalavato, faritra Matsiatra Ambony, afakomaly. Mody nametraka vola mitetina 80 000 Ar tamin’ny Cash point ireo mpisoloky. Tsikaritry ny tompon-tsena ka noraisim-potsiny. Nosamborin’ny zandary tao Sahalemaka fokontany Ambaniala, kaominina Bemasoandro ny lehilahy iray mpisoloky, afakomaly. Mody mivarotra entana mora amin’ny alalan’ny ranty ao anatin’ny […]
Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana : Nahafoy ny ainy ireo maherifo noho ny fitiavan-tanindrazana
«Tokony ho sahy hijoro hatrany isika hampiseho ny hambom-pom-pirenena. Mila sahy mijoro sy maneho fa manana tanjona iraisina isika ho mariky ny fitiavan-tanindrazana. Nahafoy ny ainy ireo maherifo noho ny fitiavan-tanindrazana», hoy ny Praiminisitra (PM) lehiben’ny governemanta, Rajaonarison Mamitiana, nandritra ny hetsi-pahatsiarovana ny faha-78 taona nitifirana ireo maherifo teny amin’ny […]
Nidona tamin’ny kamiao : Mpitondra moto maty tsy tra-drano
Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto iray nidona tamin’ny fiara teny amin’ny lalam-pirenena voalohany hiditra Katsaoka, Imeritsiatosika, ny alin’ny zoma, tokony ho tamin’ny 9 ora. Nandeha mafy, nidona tampoka tamin’ny vodin’ny kamiao lehibe iray teo alohany ny moto nentin’ilay lehilahy. Mafy ny dona ka noteren’ny moto nentiny sy ny fiara […]
Lehilahy hatao hazalambo: norasarasainy tamin’ny antsy ny vadiny syny rafozany
Mpianaka niara-voarasa antsy ka namoy ny ainy ilay zanaka vavy, tao Sambava, omaly maraina. Hifampitadiavana ilay nanao habibiana. Norasarasaim-badiny tamin’ny antsy, namoy ny ainy ny vehivavy iray tao amin’ny fokontany Ambohitrakongona, Kaominina Sambava, omaly maraina. Nanamparan’io lehilahy io habibiana ny vadiny sy ny rafozam-baviny, tamin’ny 2 ora maraina. Niditra an-keriny […]





