Taratra

Feo Gasy: Ho mpikambana i Rado

Heno sy hita anatin’ilay rakitsarin’ny «Voronkely hary elatra » an’ny tarika Feo Gasy i Rado Rajaonarison. Zanak’i Fafah Mahaleo izy ary anisan’ireo mandrafitra ny Mahaleo Taranaka. «Izay aho vao tafaraka tamin’i Rado fa tena latsa-dranomaso aho tamin’ny fandraisam-peo. Nandimby an-drainy izy na amin’ny feo na ny maha olona. Mino aho fa […]

« Guitares de Madagascar » : Tafaraka an-tsehatra i Teta sy i Chrysanto

Tafaraka ny samy andrarezin’ny fitendrena gitara. Hiray sehatra i Teta sy i Chrysanto. Samy nitrandraka zavatra maro momba ny gitara sy ny hira malagasy. Fampisehoana tsy fahita firy. Teta sy Chrysanto, samy havanana amin’ny fitendrena gitara. Samy nanao fikarohana lalina momba ny fampiasana sy famolahana ity zavamaneno vahiny ity ho […]

INDRAY MIJERY

Nahavita fiofanana ireo mpanabe olon-tsahala (JPEU) eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Mpianatra 140 no niofana nandritra ny hateloana momba ny ady amin’ny fanilikilihana mifandraika amin’ny VIH/Sida eny amin’ny tontolon’ny oniversite. Hanentana sy hanao fitiliana ny tsimokaretina izy ireo ka hanomboka amin’ny fanentanana ny mpianatra eny amin’ny lalam-piofanana samihafa ny asa. Nanohana ny […]

Kongresin’ny farmasianina: Entanina ny olona hanjifa ny fanafody tsara kalitao

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny kongresy faha-31 ny Federasionin’ny farmasianina eto amin’ny ra­nomasimbe Indianina. Nampi­tondraina ny lohahevitra “fa­ha­salamana sy sakafo: fa­namby ara-panafody, fanavaozana ary fijery vaovao ho an’ny fahasalamam-bahoaka”, izany. Nanasongadin’ny minisitra nandritra ny lahateniny ny anjara toerana lehibe raisin’ny farmasianina eo amin’ny fisorohana ny […]

Fanadihadiana ny Fiainan’ankohonana : Hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana

Nisy ny fampahafantarana ny voka-panadihadiana momba ny toe-piainan’ny ankohonana “MICS 7” nandritra ny taona 2024 sy 2025. Fanadihadiana notanterahin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Instat, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka toy ny Unicef, ny Banky iraisam-pirenena ary ny USAID. Anisan’ireo loharanom-baovao manan-danja indrindra, momba ny toe-pahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny fianakaviana […]