Nahazo lavadrano mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 3 ny lemaka fambolena any Ambararata, distrika Manja, faritra Menabe. Manodidina ny 10 000 ny tantsaha misitraka ity fotodrafitrasa ity, manondraka velaran-tany 360 ha rehefa tena ara-dalàna ny rano, raha 80 ha no voatondraka teo aloha. Avy amin’ny tetikasa AD2M, ao anatin’ny minisiteran’ny […]
Taratra
Voly fanondrana: 30 000Ar ny kilaon’ ny lavanila maitso
Manomboka eo amin’ny 25 000Ar ka hatramin’ny 30 000Ar ny kilaon’ny lavanila maitso ao amin’ny faritra Sofia. Nihena ny vokatra tamin’ity taona ity saingy tsara ny kalitaony. Kaominina telo, ao amin’ny distrika Bealanana, kosa no misy ny tsenan’ny lavanila dia ny any Ambohimisondrotra sy Ambodisikidy ary Ambararata. Nidina ifotony tany amin’ny faritra […]
Harena voajanahary: mirongatra ny trafikana sokatra
Ny eo tafaverina, ny etsy mikasa hoentina hivoaka. Tsy mety foana ny trafikana sokatra sy harena voajanahary eto amintsika, ary tsy vitsy fa aman-jatony ny isany. Tratra tany ivelan’ny seranam-piaramanidina Ivato afakomaly , ny olona 2 saika hanondrana antsokosoko sokatra miisa 208 ho any ivelany. Tsy mbola fantatra ny karazan’ireo […]
INDRAY MIJERY
Nanao fanambarana ny Seces fa tokony handroso vahaolana voadinika tsara ny fahefana mpanatanteraka, mba hitondra filaminana sosialy maharitra ho an’ny tontolon’ny fampianarana ambony. Efa nanome tolokevitra maro niainga avy eny ifotony ny sendikàn’ny mpampianatra ka tokony hiainga avy amin’izy ireny no handrafetana vahaolana. Momba ny toetry ny andro, eo anelanelan’ny […]
Fampianarana teknika: hiverina an-dakilasy ny 23 septambra
Nampahafantatra ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fiofanana arakasa fa handray ny asany ny 9 septambra ho avy izao ireo mpandraharaha misahana ny sekoly sy ivontoeram-panofanana teknika manerana ny Nosy. Hiatrehana ny taom-pianarana vaovao 2024-2025 no antony. Ny 16 septambra no hiverina any an-dakilasy ny mpampianatra, raha ny 23 septambra no […]




