Nivoaka ny valim-panadinana bakalorea 2024 ho an’ny Oniversiten’i Mahajanga, 61,89% ny taham-pahafahana ankapobeny, izay niakatra raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa 56,69%, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. 61,31% ny taham-pahafahana ho an’ny fampianarana ankapobeny. A1 : 58,55%, A2 : 56,43%, C : 69,05%, D : 81,79%, L : 62,39%, S: 47,69% ary […]
Taratra
Sehatry ny fandriampahalemana: hamafisina ny fahaiza-manaon’ ny vehivavy eto Madagasikara
Mbola ambany ny taham-pandraisana anjaran’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana sy ny filaminana. Ilaina hamafisina ny fahaiza-manao mba hirosoan’izy ireo amin’io sehatra io. Nanomboka omaly hatramin’ny 22 aogositra izao, etsy amin’ny Hotel Ibis Ankorondrano, ny atrikasa hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy. Ahitana ireo vehivavy mpandray anjara fototra amin’ny fandaharanasa mahakasika […]
SOMBIM-BAOVAO
Ho fanomanana ireo mpilalao handimby ny Makis Ladies, hisy lalao fifantenana ho an’ireo ankizy latsaky ny 17 taona hatao etsy amin’ny Kianja Makis, ny 24 sy 25 aogositra ho avy izao. Handray anjara amin’izany ny SCB Besarety, ny UAS Cheminots, ny Edo, ny Madecasse sy Andavamamba ary ny faritra Atsimo […]
Lalao Olympika ho an’ny sembana : tsy manana solontena ny Malagasy
J-7 amin’ny fanombohan’ ny lalao Olympika, natokana ho an’ireo atleta manana fahasembanana (Jeux paralympiques 2024), hatao any Paris France, anio. Fihaonana hatao ny 28 aogositra ka hatramin’ ny 8 septambra ho avy izao. Mijanona ho mpitazana ny Malagasy amin’ity fa tsy manana solontena. Tsy nahazo ny fanasana manokana “wild card” […]
Muay Thaï-Maitre Gildas : nankatoavin’ny IFMA ny maha-DTN azy
Nankatoavin’ny IFMA Ocean Indian, ny 14 aogositra lasa teo, ny maha Tale Teknika Nasionaly, an’ny Maître Razanajatovo Gildas, eo anivon’ny federasiona malagasy ny Muay Thaï. Nankato izany koa ny African Muay Thaï Union, izay nanao ny Sonia ny taratasy nanendrena azy. Nambarany izany ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Raha tsiahivina, […]




