Taratra

Fantina sy fintina

Nohamafisin’ny filankevitry ny governemanta omaly, fa hatao ny 11 desambra ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ny kaominina rehetra manerana ny Nosy, na ambonivohitra na ambanivohitra. Tsy niova amin’ny tolo-kevitry ny eo anivon’ny Ceni izany ny tetiandro ary izao nankatoavin’ny fitondram-panjakana izao. Voatendry ho tale jeneraly vaovao eo ani­von’ny Bianco Razakamanantsoa Gaby […]

Tsy ampy serasera

Niaraha-nahita ny tatitra nataon’ny Bianco, tamin’ny fiandohan’ny herinandro. Mbola manjaka sy aharaisana fitarainana be dia be ny sehatry ny asam-panjakana tena ampiasain’ny vahoaka. Misy minisitera fototra, tsy afa-misaraka amin’ny vahoaka maromaro, tena fositra. Mampihaiky volana ny « fametrahana kely ». Tsy main­tsy vola vao asa! Sady mampalahelo no mahasosotra ny […]

Fanolorana ny PGE: tsy sakana ny tsy fijoroan’ny governemanta vaovao

“Ny Praiminisitra amin’ny maha lehiben’ny governamanta azy no mitondra ny Pro­grama ankapoben’ny fanjakana (PGE) eo anoloan’ny parlemanta, dia ny parlemanta no mahita izay azo hanampiana na hanalanana ho fanazavana izany”. Io ny fanazavan’ny loholon’i Madagasikara, An­drianandrasana Tahina Haja­niaina, teny Anosikely, afakomaly, manoloana ny filazana fa tsy ara-dalàna ny fiantsoana fivoriana […]

Mpanolotsain’ny Prezidansa, Rajoelina Patrick «Mbola iadiana hevitra ny momba ireo Nosy manodidina»

Nivahiny tao amin’ny fahitalavitra Global Africa Telesud ny mpanolotsaina diplaomatika eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Rajoelina Patrick, ny 7 aogositra teo. Maromaro ireo fanazavana nentiny momba ny raharaham-pirenena. Anisan’ny nambarany ny momba ny fifandraisana eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara. Eo ny momba ireo Nosy manodidina. “Mbola adihevitra eo amin’ny […]

Tselatra

Raim-pianakaviana iray hita faty tao an-tranony, tao Ambatoharanana Miadamanga, kaominina Andasibe, afakomaly. Namono tena izy, araka ny loharanom-baovao. Olona telo naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN4, teo anelanelan’i Beronono sy Mangapaika, kaominina Antanambao, ny 5 aogositra teo. Tafavoaka ny arabe ka nidona tamin’ny sisin-dalana ny taksiborosy iray. Niala avy […]