Naratra nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo ny zandary iray am-perinasa sy ny telo tamin’ireo mpanaradia nandritra ny famerenana ireo omby ampolony voaroba tao Ambovogna, fokontany Ivohibe Avaratra, kaominina Ivohibe, ny 6 aogositra teo. Nalain’ny dahalo ny omby 67. Nanao hazalambo avy hatrany ny fokonolona niampy ny mpitandro filaminana. Nitondra fitaovam-piadiana […]
Taratra
Tsy nahazaka adim-piainana: renim-pianakaviana maty nananton-tena teo ambony hazo
Mafy ny fiainana! Hita faty nihantona tamin’ny tady, nikirozaroza teo ambony hazo ny renim-pianakaviana iray. Ankoatra ny fikorotanan-tsaina, misy ny mamono tena. Hatairana ny an’ny mponina manodidina tao amin’ny fokontany Ambohimitsinjo, kaominina Bevonotra, distrikan’i Sambava, omaly tamin’ny 7 ora maraina. Ramatoa iray, 50 taona, monina ao anatin’ny tanànan’i Bevoay no […]
Fiahiana sosialy Tsimbina: tokantrano 657 000 hahazo vola 250 000 Ar avy
Manao ezaka ny fanjakana mitondra vahaolana ho an’ny fianakaviana tena sahirana manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana amin’izao fotoana izao. Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny tatitra momba ny fanatanterahana ny fandaharanasa fiahiana sosialy Tsimbina. Tanjon’ny tetikasa ny hanohanana tokantrano marefo ara-pivelomana hanalefahana ny vokatry ny fiakaran’ny vidim-piainana sy hitazomana ny […]
Fanafihan-jiolahy: voaroba ny vola 11 tapitrisa Ar
Lasan’ny jiolahy mitam-piadiana ny vola nitentina 11 tapitrisa Ar tao amin’ny tokantrano iray ao Ambatomitsangana, kaominina Ambohitrambo, distrikan’Arivonimamo, afakomaly alina. Niditra an-keriny tao amin’io trano io ireo mpandroba tamin’ny 10 ora alina. Nihanika teo amin’ny lavarangan’ny trano ny roa lahy. Nosimbainy ny hidim-baravarana ka tafiditra tao ambony rihana izy ireo. […]
Taratry ny kanto
Any Antsirabe ny Hosana Ambohijatovo. Hisy ny seho indroa miantaona izay hataon’izy ireo, ny zoma 9 aogositra ao amin’ny O’Carrefour ary ny alahady 11 aogisitra, ao amin’ny Kianja Maitso SPAAM Antsenakely. Seho fiderana tafiditra anatin’ny fitetezam-paritra hataon’ izy ireo, ho fanamarihana ny faha-60 taona nisiany izany. Hisy ny atrikasa momba […]




