Nanana ireo fomba nentiny nanatanteraka lanonana ny Malagasy. Niova tsikelikely izany taty aoriana. Tafiditra rahateo ny atao hoe « fety »… Amin’izao vanim-potoana izao, maro ny miezaka mamerina ny fahiny. Saingy, amin’ ny ampahany ihany . Rehefa mandia fotoan-dehibe ifaliana ny Malagasy, manatanteraka lanonana izy. Fitokanana trano vao vita, fitsofan-drano samihafa, fifampiarahabana isan-karazany, […]
Taratra
Sombim-baovao
Nasehon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tao amin’ny tambajotran-tseratserany, omaly, fa hatao ao amin’ny kianja Hamadi Aguerbi Rades Tunisie avokoa ny lalaon’ny Barea, eo amin’ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifanintsanana ho an’ny Can 2025. Ny 5 septambra lalao atao amin’i Tunisie.Ny 9 septambra kosa no hifanandrina amin’i Comores. Hotontosaina […]
Wake Up 2024: tsy nitsanga-menatra ny Malagasy
Nampiseho ny vokatra azon’ireo solontena malagasy, niatrika ny fifaninana dihy ho an’ny ranomasimbe Indiana, ny federasiona malagasin’ny “danse urbaine”, ny talata lasa teo. Fifaninanana natao tany Maorisy ny 18 hatramin’ny 21 jolay ka mpandihy malagasy 3 no nifaninana tamin’izany. Samy nahazo vokatra tsara avokoa izy 3 mianadahy ireo. Nahazo ny […]
« Festikite »: hatao any Antsiranana ny andiany fahatelo
Hotanterahina ao amin’ny helodranon’i Sakalava ao Antsiranana, ny 23 – 25 aogositra ho avy izao, ny andiany fahatelo amin’ny “Festival International de Kitesurf” (Festikite). Fihaonana karakarain’ny Mada Kite Bros. Nampahafantarin’ny mpikarakara tamin’ny mpanao gazety, teny Andraharo, omaly, izany. Nambaran-dRazafindrasata Panoel, filohan’ny sekoly Mada Kite Bros fa miavaka ity andiany fahatelo […]
Sidonie Fiadanantsoa: laharana fahadimy dia miverina mifaninana
Hiady ny vintana farany, hiakarana amin’ny dingana manasa-dalana eo amin’ny hazakazaka 100 m misy fefy, anio, i Sidonie Fiadanantsoa amin’ny lalao Olympika, atao any Frantsa. Tsy nahatratra ny fe-potoana amin’izany izy omaly ka mamerina ny hazakazaka. Tontosa omaly tao amin’ny kianja Stade de Frantsa ny hazakazaka 100 m misy fefy […]




