Efa mipetraka ny anarany ao Antsohihy. Miakatra tsikelikely, ezahina ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny Faritra Sofia sy Antsohihy manokana ny “Festival Dona Be”. Mba tsy ho fandalovana fotsiny ny Faritra. Hiditra amin’ny andiany faha-4. Hotontosaina ny 23 hatramin’ny 26 jolay ho avy izao ny “Festival Dona Be”, ao Antsohihy. […]
Taratra
Airtel Africa : Ahodina indray ny 94% ny fako
Manana paikady natokana ho an’ny fitantanana ny angovo sy ny fampandrosoana ara – toekarena ny orinasa Airtel Africa, miparitaka aty amin’ny firenena 14 aty Afrika, ary anisany i Madagasikara. Mitentina 9,1 tapitrisa litatra ny gazoala laniny ny taom-piasana 2025-2026. Nambaran’ny tale jeneralin’nyAirtel Africa, Sunil Taldar, fa anisan’ny nahazoana io vokatra […]
Tetikasa Flyover : Hanomboka amin’ny 29 jolay ny asa
Hanomboka amin’ny 29 jolay ho avy izao ny asa fanatanterahana ny tetikasa Flyover. Mizara roa mavaza tsara izany. Voalohany, ny fananganana tetezana vaovao mitsingevana, eo Anosizato, antsoina hoe Flyover. Faharoa, ny fanitarana ny lalana manodidina ny tetezana vaovao. Tsy maintsy tsinjovina ny lafiny tontolo iainana. Misy ny fampahafantarana ny besinimaro […]
Seranana Ivato : Mpandeha anatiny miisa 216 isan’ora voakarakara
Efa miasa tanteraka ny fotodrafitrasa vaovao mandray ny mpandeha amin’ny zotra anatiny eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Nitombo ny isan’ny mpandeha afaka karakaraina sy ny fiaramanidina mivezivezy. Fotodrafitrasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny efitrano malalaka « hall », mikarakara ny mpandeha amin’ny zotra anatiny eny Ivato. Mahatratra 6 miliara Ar (1,2 tapitrisa […]
FANTINA sy FINTINA
Mijoro hatrany ny HVM manoloana ireo fihetsika miendrika fandrahonana manohintohina ny demokrasia, araka ny fanambaran’izy ireo. «Miaro ny fahalalahana maneho hevitra izahay ary manohitra ny fihantsiana sy ny fandrahonana mifanohitra amin’ny soatoavina… Manohana sy mankahery ny mpitondra amin’ny ezaka ataony», hoy ny fanambarana. Efa mihatra mivantana amin’ny aina ny fanakorontanana […]





