Efa miasa tanteraka ny fotodrafitrasa vaovao mandray ny mpandeha amin’ny zotra anatiny eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Nitombo ny isan’ny mpandeha afaka karakaraina sy ny fiaramanidina mivezivezy. Fotodrafitrasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny efitrano malalaka « hall », mikarakara ny mpandeha amin’ny zotra anatiny eny Ivato. Mahatratra 6 miliara Ar (1,2 tapitrisa […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Mijoro hatrany ny HVM manoloana ireo fihetsika miendrika fandrahonana manohintohina ny demokrasia, araka ny fanambaran’izy ireo. «Miaro ny fahalalahana maneho hevitra izahay ary manohitra ny fihantsiana sy ny fandrahonana mifanohitra amin’ny soatoavina… Manohana sy mankahery ny mpitondra amin’ny ezaka ataony», hoy ny fanambarana. Efa mihatra mivantana amin’ny aina ny fanakorontanana […]
Birao maharitry ny Ceni : Mifandanja ny lahy sy ny vavy, feno ny mpikambana
“Mipetraka tsara ny fifandanjana eo amin’ny lahy sy ny vavy: efatra lehilahy, efatra vehivavy”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), Rakotonarivo Thierry, teny Anosy, omaly, taorian’ny fahavitan’ny fianianan’ny mpikambana farany izay solontenan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara eo anivon’ny birao maharitra, i Anne Raymonde, teny […]
Very fanahy mbola velona
Mihorohoro ny vahoaka! Mitaintaina andro aman’alina ny zanaka sy ray aman-dreny. Hatramin’ny vady aza moa. Tsy ny zaza ihany no lasibatry ny mpangalatr’olona, mahita faisana koa ny olon-dehibe. Miandahy miambavy ny olona very, tsy mifidy taona. Indrisy, izay manjavona, tsy mody ao an-trano fa ampodian-dry zalahy any amin’ny Ray. […]
Toe-draharaham-pirenena : Manameloka ny fanakorontanana ny HPM
Nifoha tamin’ny torimasony ny Hery politika mitambatra na HPM. Manameloka ny endri-pihantsiana sy fanankorontanana izy ireo. Nanao fanambarana ny eo anivon’ny Hery politika mitambatra (HPM), omaly, tetsy Ambatomena. Hentitra izy ireo manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana. «Helohinay amin’ny herinay rehetra ireo fihetsika miendrika fihantsiana sy fanakorontanana na avy ato anatiny […]





