Taratra

Fanadiovana ny kaominina: hisy ny ozinina hanodina ny fako ho lasa zezika sy angovo

Anisan’ny mampitaraina ny kaominina maro ny fitantanana ny fako noho ny antony samihafa. Vahaolana maharitra ho azy ireo ny fisian’ny fanodinana fako maharitra ialana amin’ny vesatra isan-karazany. Notanterahina teny Anosy, omaly, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ireo kaominina ma­nodidina an’Antananarivo sy ny Tany Développement maha­kasika ny fanangonana ny fako ho azo […]

Fifidianana depiote: maromaro ireo am-perinasa tsy lany intsony

Maromaro ireo depiote am-perinasa tsy voafidy intsony na mbola niverina nirotsaka hofidina aza, raha miainga amin’ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni. Anisan’izany ireo kandidà natolotry ny vovonana Irmar. Resy tany Antanimora Atsimo ny kestora voalohan’ny Ante­nimiera, Jean Michel Henri, Rakotondravoavy Andry na Zoky Andry etsy Arivonima­mo. Ny any Benenitra amin’ny alalan-dRandrianandraina […]

Mpiasam-panjakana: misy ny atrikasa hatsaraina ireo toeram-panofanana

Tanterahina ao amin’ny Hotel de Thermes Antsirabe, mandritra ny 5 andro, nanomboka ny 10 jona 2024, ny atrikasa fanomanana sy fampivoarana ny fitaovam-piofanana ho an’ny toeram-panofanana ho mpiasam-panjakana eto Madagasikara. Mifampizara traikefa ao anatin’izany ny avy eo aanvon’ny minisiteran’ny Vola sy ny fitantanam-bola, ny minisiteran’ny Asam-panjakana, ny minisiteran’ny Fampia­narana ambony […]

Hala-bato tamin’ny fifidianana : mitaky porofo mazava ny eo anivon’ny HCC

Mitodika eny amin’ireo mpitsara avo eny Ambohidahy ny mason’ny mpanara-baovao, manomboka izao. Efa an-jatony ireo fitoriana voarain’izy ireo saingy tsy maintsy misy ny fepetra arahin’ireo mpitory tamin’ny fifidianana depiote farany teo. Nambaran’ny loharanom-baovao eo anivon’ny HCC fa anjaran’ny mpitory ny mitondra porofo amin’ny tsy fanarahan-dalàna niseho tamin’ny fifidianana, ahafahan’ireo mpitsara […]

Distrikan’Ambatofinandrahana : nitory ny kandidà Razanamahasoa

“Fomba roa no entinay ma­nao fitoriana manoloana ny fifidianana tahaka izao”, hoy ny avy amin’ny mpanohana ny kan­­didà depiote Razanamaha­soa Christine ao amin’ny dis­trikan’Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania, Ratolo­ja­nahary Maharavo, tamin’ny mpanao gazety, afakomaly, ny amin’ny fahitan-dry zareo fandikan-dalàna tamin’ny fifidianana depiote teo. Voalohany amin’izay fitoriana izay ny momba ny fizotran’ny […]