Taratra

Fivoriambe faha-79 ONU : voafidy ho filoha lefitra i Madagasikara

Voafidy ho filoha lefitra amin’ny fivoriambe faha-79 eo anivon’ny Firenena mi­kambana (ONU) any New York, Etazonia, hanomboka 16 septambra ho avy izao, i Madagasikara, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny minisitera. Ankoatra ny filohan’ny fivoriana, misy 21 ireo filoha lefitra. Avy amin’ny vondrona iraisam-paritra toa an’i Afrika, na Eoropa, na Azia, […]

FILOHA Rajoelina Andry: « Adidin’ny mpitondra ny manova ny krizy ho fampandrosoana »

Nikabary omaly, nandritra ny fankalazana ny ny faha-60 taonan’ny CNUCED ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nilaza izy fa manana adidy ny mpitondra, hamadika ny krizy ho fanararaotana amin’ny fampandrosoana. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao amin’ny Palais des Nations – Genève Suisse, ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny « Conférence des […]

“hampitempo ny fontsika”: mpanakanto maro no mivoy ny hafatra…

Andro vitsivitsy izay no niparitaka anaty tambajotran-tsera­sera ireo “videos” nataona mpanakanto malaza maromaro. “Tsy ho ela, hampitempo ny fontsika”, io avokoa ny hafatra nampitaina. Mpanakanto malaza maro no nizara izany, toa an-dry Shyn, Denise, Tence Mena, Oladad, Tsota, Farakely, Jazz MMC, sns. Nanampy azy ireo olo-malazan’ny tambajotra toa an-dry Willy […]

“Festival Tsika Jiaby”: hisy koa eto Madagasikara amin’ny 2025 !

Voavaly avokoa, omaly, ireo fanontaniana nanitikitika rehetra mikasika ilay hetsika “Festival Tsika Jiaby” natao tany Paris farany teo. Niampy vaovao mahafaly ho an’ny tontolon’ny mozika malagasy aza! Ny 6 hatramin’ny 8 jona 2025 ny andiany faharoa amin’ny “Festival Antsika Jiaby”, hatao any Fran­tsa. Tsy misy fiovana io ary anatin’ny fotoanan’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina anio alakamisy, etsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium ny manasa-dalana mandroso, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja baolina kitra «Pureplay football league». Hifandona amin’izany ny Elgeco Plus sy ny 3FB Toliara. Amin’ny alahady kosa ny manasa-dalana faharoa, hifandonan’ny Disciples FC sy ny Zanakala. Tafaverina soa aman-tsara an-tanindrazana […]