Fantatra avokoa ireo ekipa hisolo tena ny ligin’Itasy, fifaninanana nasionaly. Eo amin’ny sokajy vehivavy, ny Askam Afa no hiaro ny voninahitry ny faritra. Ny Ojay Imerintsiatosika kosa ny an’ny lehilahy. Voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Itasy, amin’ny taranja baolina kitra, vehivavy, ny ekipan’ny Askam Afa, ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianjan’ Amboniatsimo. […]
Taratra
Paule Sophie : nivoaka ny boky « Nos âmes éternelles »
Ny namoizany ny rainy nindaosin’ny fahafatesana… Niteraka ratram-po lehibe sy fahabangan-toerana goavana teo amin’ny fiainany no nampikorisa ny penin’i Paule Sophie ka niafara tamin’ny famoahany ny boky.Nivoaka ny boky «Nos âmes éternelles». Asongadin’i Paules Sophie ao anatiny ny fiasan’ny herin’Andriamanitra manoloana ny olana amin’ny endrika sakana heverin’ny olombelona fa goavana […]
Manomana ny 25 taona nihirana: hiaka-tsehatra ao amin’ny Kudeta ry Da Hopp
Dimy ampy jery hombam-panahy sy paika, nanome ny anarana Da Hopp. Nanomboka, nanohy ary manam-baovao hozaraina hatrany ho an’ny tontolon’ny rap gasy ry zalahy. 25 taona nandraisana “micro” ny marina kokoa… Satria efa ho 30 taona izao no nilomano tao anatin’ny tontolon’ny hip-hop ny tarika Da Hopp. Tarika zokiny indrindra […]
Tenisy: resin’i Afrika Atsimo ny Malagasy
Tsy mbola mihiratra ho an’ny Akomba, ekipam-pirenena malagasy, ny masoandro eo amin’ny fiadiana ny “Billie Jean King Cup”, sokajy fahatelo, taranja tenisy. Fihaonana tanterahina any Nairobi, Kenya. Omaly, mbola resin’i Afrika Atsimo, tamin’ny isa 3 no ho 0, indray ny Akomba. Teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana, lavon’i Gabriella Broadfoot, tamin’ny […]
“Mondial 2026”: manana isa fito ny Barea de Madagascar
Mitombo hatrany ny isa ho an’ny ekipa nasionaly malagasy. Manana isa fito izy ireo ao amin’ny vondrona “I”, rehefa nisaraka ady sahala tsy nisy nitoko tamin’i Mali. Ady sahala! Nahazo isa iray fanampiny indray ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar, omaly, tao amin’ny kianjan’ny FNB Stadium Johannesburg Afrika Atsimo. Nisaraka […]




