Taratra

FANTINA sy FINTINA

Tsy mitovy ny tarehimarika ao anatin’ny fitanana an-tsoratra tamina biraom-pifidianana 47 amin’ny 169 ao amin’ny distrikan’i Vohipeno, faritra Fitovinany, araka ny tatitry ny kandidà depiote Irmar, i Tsabotokay Honoré, teny Tsimbazaza, afakomaly. Tena nisy ny tsy fahatomombanana taloha sy nandritra ny fifidianana, ka nametraka fitoriana eny amin’ny HCC ry zareo […]

fikirakirana voka-pifidianana ; « Tao anatin’ny fanajana ny safidim-bahoaka »

“Nanome toky ny Ceni fa ny fikirakirana ny valim-pifidianana dia natao tao anatin’ny fanajana ny safidim-bahoaka sy ny fangaraharana tanteraka, ka heverinay fa hitondra fitoniana sy filaminana.” Izay ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly, taorian’ny fanambarana ampahibemaso ny voka-pifidianana vonjimaika. Vokatra vonjimaika ihany no navoakan’ny Ceni, fa […]

Samia miandry am-pitoniana

  Vita izay ny anjara asan’ny Ceni. Nivoaka ny vokatra vonjimaika. Raha fehezina, nizotra tamim-pilaminana sy araka ny tokony ho izy ny raharaham-pifidianana. Nilamina manerana ny Nosy, afa-tsy ny tamin’ny toerana vitsivitsy izay nisehoana herisetra. Tsy mahagaga anefa izany fa tsy maintsy misy hatrany ny volo mpanoha-randrana. Ny omby indray […]

Voka-pifidianana vonjimaika: natanjaka ny mahaleo tena, nahazo ny maro anisa ny Irmar

Namoaka ny voka-pifdidiana vonjimaika, omaly ny Ceni. Nanana ny toerany ny kandida mahaleotena. Nahazo maro anisa ny Irmar. Niverina amin’ny tanjany ny mpanohitra. Tontosa omaly, teny amin’ny foiben’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), ny lanonana nanambarana ny vokatra vonjimaika, fifidianana so­lombavambahoaka, natao ny 29 mey 2024. Miisa 163 […]

TSELATRA

Karohin’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana ilay lehilahy nanolana ny zanany vao herintaona sy tapany tao Marofody, kaominina Ambinani­nony, distrika Brickaville, ny sabotsy 8 jona teo. Nandeha nitoto vary ny renin’ilay zaza ka nanararaotra nanao ny filan-dratsiny io rain-jaza io. Nitrangana haintrano tao Mangarano, Toamasina, omaly maraina. Tsy nahatafavoaka na inona […]