Namoy ny ainy teo no ho eo ny raim-pianakaviana iray nitondra kodiaran-droa teny Fenoarivo, anatin’ny lalam-pirenena voalohany, afakomaly alina. Hamonjy fodiana, niharan-doza tampoka io lehilahy io. Nidona mafy tamin’ny sisin’arabe ny moto nentiny, araka ny nambaran’ireo nanatri-maso. Nitsirara teo afovoan-dalana ilay lasibatra. Tsy nahetsika intsony izy. Tsy nisy aina intsony. […]
Taratra
Dahalo raindahiny: lavon’ny zandary i Rebaly
Maty voatifitry ny zandary tao Antanimieva, distrika Morombe, afakomaly, ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Velondraza na Reboto, fantatra amin’ny anarana hafa ihany koa izy hoe Rebaly. Malaza ratsy amin’ny asa fanafihana mitam-piadiana mahery vaika ity dahalo ity sy ireo namany. Maro ireo olona nitondra faisana tamin’izy ireo ao […]
Fametavetana vehivavy mpivavaka: Pasitera roa indray naiditra am-ponja
Samy voasaringotra amina raharaha fanolanana avokoa ireto pasitera roa lahy amina fiangonana zandriny ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana ireto. Niakatra fampanoavana teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina izy ireo ka naiditra am-ponja. Voalohany, raharahan’ny fiangonana zandriny ao amin’ny fokontany Marovato, kaominina Toamasina II. Nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny fampanoavana tamin’ilay […]
Africa Leadership Awards: mendrika amin’ny fahaiza-mitarika i S. Ogunsanya
Nahavita be teo amin’ny fampiroboroboana ny fifandraisan-davitra aty Afrika i Segun Ogunsanya, tale jeneraly teo aloha, Airtel Africa. Voafidy ho mendrika indrindra amin’ny fahaiza-mitarika izy. Mikarakara ny African Business Leadership Awards (ABLA) 2024, ny gazety boky ara-toekarena Africa Leadership Awards (ALM) an’ny fikambanana African Leadership (ALO). Handray ny lokany izy […]
Madagascar Airlines: mitombo tsikelikely ny sidina anatiny
Tafiditra ao anatin’ny drafi-panarenana, Phénix 2030, ny kaompania Madagascar Airlines ny fampitomboana ny sidina anatiny mba hamaliana ny filan’ny mpandeha amin’izao vanim-potoana fahatongavan’ny mpizahatany izao. Hiakatra 19 isan-kerinandro ny sidina ataon’ny kaompania manomboka ny 14 jona. Hitombo 26 kosa izany ny volana jolay, hanatsarana hatrany ny tolotra ho an’ny mpanjifa. […]




