Anisan’ny andry iankinan’ny firenena ny Foloalindahy. Zava-dehibe ho an’ny vahoaka, araka izany, ny fahafantarana ny momba azy ireo. Tanterahina eny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, nanomboka ny faran’ny herinandro teo hatramin’ny 25 jona 2024, ny fampirantiana anehoana ny maha izy ny hery fiarovana misy eto Madagasikara. « Ny firenena sy ny hery […]
Taratra
Kitra – «Ligue 1» Analamanga : tompondaka ny AS Ste Anne
Norombahin’ny AS Ste Anne Bongatsara, ny anarana maha tompondakan’ny ligin’ Analamanga D1, taranja baolina kitra. Resiny tamin’ny isa, 2 no ho 0 teo amin’ny famaranana ny Toulon Academy. Fihaonana notanterahina teny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, ny alahady lasa teo. Baolina matin’i Baba, minitra faha-35 sy ny an’i Anico (90 […]
Tenisy – “Billie Jean King III”: resin’i Zimbabwe i Madagasikara
Notontosaina, omaly, tany Nairobi Kenya, ny andro voalohan’ny fifanintsanana “Billie Jean King”, vondrona III, sokajy vehivavy, taranja tenisy. Ratsy ny vokatra ho an’i Madagasikara. Resin’i Zimbabwe tamin’ny isa 2 no ho 1 izy ireo. Mitana ny laharana fahatelo ao amin’ny sokajy “A” ny ekipam-pirenena malagasy. Tsiahivina fa miray vondrona amin’izy […]
Fifanintsanana «Mondial 2026»: izao maraina vao tonga atsy Afrika Atsimo i Mali
Manana fahasahiranana ny Voromaherin’i Mali satria ny maraina teo vao tonga ao Afrika Atsimo ny delegasion-dry zareo. Araka izany, tsy hisy fotoana firy hizarana kianja sy toetr’andro ny ekipa malianina ka mety hanome tombondahiny ho an’ny Barea de Madagascar. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra tao amin’ny tambajotran-tseraserany, […]
INDRAY MIJERY
Natolotra ny fitaleavana momba ny fampiroboroboana ny fahasalamana ireo fitaovana ara-teknolojia maro avy amin’ny tetikasa « Miarova », toy ny solosaina, finday avo lenta, fahitalavitra, fitaovam-pivoriana ampitain-davitra… Natokana ho an’ny fitantanana ny tsaho sy ny vaovao tsy marina mahakasika ny vaksiny ireo fitaovana mba hahafahana mampiroborobo ny fanaovam-baksiny. Alefa avy hatrany any […]




