Taratra

Fiarovana ny tontolo iainana : hiara-hiasa ny Parc Ivoloina sy ny Alpha Ciment

Notanterahina tany Ivo­loina, ny alarobia 5 jona lasa teo, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny valan-javaboahary, Parc naturel d’Ivoloina, sy ny Alpha Ci­ment. Nanatanteraka izany i Jaozandry Jean Jacques, talen’ny ONG Madagascar Fauna, misahana ny “Parc” sy i Zafindrantoanina Arivelo. Votoatiny ny fanamafisana orina amin’ny hanatsarana ny fisahanana ny tontolo iainana. […]

Fanabeazana: notokanana ny EPP Ambohimarina

Tontosa ny fanamboarana ireo efitrano fianarana rehetra ao amin’ny sekoly fanabeazana fototra ao Ambohimarina, kaominina Ambohimanga Rova, ny alakamisy 8 jona teo. Mpianatra avy amin’ny fokontany manodidina no hisitraka manokana amin’ny fananana ity fotodrafitrasa vaovao ity. Misehatra amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny sosialy sy ny fanabeazana, nanamboatra efitrano telo amin’ny fanavaozana […]

Tetikasa “Apprendre”: hanavaozana ny rafi-panabeazana eto Madagasikara

Manatanteraka fivoriana iraisam-pirenena eto Antananarivo ireo mpiantsehatra amin’ny fanabeazana sy fikarohana. Mba hanatsarana ny rafi-panabeazana eto amin’ny Nosy ny anton’ny dinika. Tanterahina etsy amin’ny Panorama Andrainarivo, omaly sy anio, ny loabary an-dasy iraisam-pirenena momba ny fanabeazana. Man­dray anjara manatanteraka izany ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny fanabeazana eto an-toerana sy any […]

Cacao: mitady izay tonia mpanatanteraka ny CNC

Misokatra ny fametrahana ny dosie ho an’ireo izay liana handray ny toeran’ny tonia mpanatanteraka ny filankevi-pirenen’ny cacao (CNC) eto Madagasikara. Afaka mametraka ny antontan-taratasy ao amin’ny biraon’ny CNC Ambanja sy mandefa izany amin’ny adiresy recrutementsecnc@gmail.com (dika mitovy amin’ny adiresy conseil@conseilnationalcacao.mg) ireo izay liana amin’izany. Amin’ny zoma 14 jona 2024 no […]

Fifanakalozana ara-barotra : avy eto amintsika ny akora fototra ilain’i Mayotte

Kely ny velaran-tanin’i Mayotte, na te hamokatra aza izy, ka voatery miankin-doha, manafatra aty Madagasikara. Avy aty amintsika avokoa ny 70% ny vokatra ara-tsakafo hafarany. Nilaza ny mpanorina ny vondrona Green Fish any Mayotte, Nourdine Hakim, nitarika ny delegasiona Ma­horais, nandritra ny tsenabe ara-toekarena SIAE andiany fahatelo farany teo, teto […]