Nanolotra ny fikarohana nataony tany Japon Rtoa Andriantsitohara Attiana Fara, talen’ny Fikarohana sy ny fenitra ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny 29 mey teo. Manohy ny fianarana hahazoana ny mari-pahaizana « Doctorat » any amin’ny oniversite Nagasaki izy, mandritra ny telo taona, nanomboka ny taona 2024. Hampitomboina ny isan’ny fiaramanidina ampiasain’ny Madagascar […]
Taratra
Zavamananaina an-dranomasina : hampitomboina avo telo heny ny AMP arovana
Mandray anjara hampitomboana avo telo heny ny fari-dranomasina arovana eto amintsika ny tetikasa GEF-AMP. Tanjona ny hiarovana ny karazan-javamananaina samihafa ao aminy. Araka ny tatitra avy amin’ ny tetikasa GEF6-AMP*, tandindomin-doza ny karazan-javamananaina an-dranomasina sy amorontsiraka eto Madagasikara. Misy amin’izy ireny ny ahina ho lany tamingana. Mahatonga izany ny fitrandrahana […]
INDRAY MIJERY
Ho maina amin’ny ankapobeny ny andro ato anatin’ny telo andro ho avy, izay mety hialohavana zavona vao maraina ny toerana sasany amin’ny afovoan-tany sy ny atin-tany Atsimon’ny Nosy. Hisy fidinana ny maripana ambony indrindra any amin’ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy sy ny afovoan-tany any amin’ny faran’ny herinandro. Manodidina ny 6°C- 24°C […]
Manerana ny diosezy 22: mpianatra 36 226 miatrika BEPC katolika
Miatrika fananadinana BEPC ireo mpianatra avy amin’ny fiangonana katolika, amin’ity herinandro ity. Nanomboka ny alatsinainy teo ary hifarana ny alakamisy izao izany. Mahatratra 36 226 ireo mpianatra miatrika izany, izay miparitaka amin’ireo diosezy 22. “Tsy manakana amin’ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana BEPC ofisialy izany fa hahitana sy hitsapana ny fahaizan’ny mpianatra […]
Fivoriana momba ny asa : ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fahasalamana
Nisokatra tamin’ity herinandro ity any Genève (Soisa) ny fivoriana iraisam-pirenena faha-112 momba ny asa. “Mivonona amin’ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny vokany ho an’ny fahasalamana” ny lohahevitra niompanan’ny dinika, izay hifarana ny 14 jona ho avy izao. Solontena avy amin’ny firenena 187 mpikambana ao amin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa […]




