Rafitra manan-danja sy saro-pady ny Tahirimbolam-panjakana. Tsy maintsy raisina ny paikady hisorohana ny kolikoly. Natao ny 4 sy ny 5 jona teo ny atrikasa nataon’ny Fitantanana foibe ny Tahirimbolampanjakana (DGT), miaraka amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac). Tao daholo ny teknisiana rehetra ao amin’ireo rafi-panjakana roa ireo. Nisy ny fifanakazom-baovao […]
Taratra
Ny tody tsy misy
Iaraha-mahita fa mikoropaka izaitsizy ny mpanao politika hatramin’ny herin’ny alarobia nanaovana ny fifidianana. Ny kandidà avy amin’ny mpanohana fitondrana no tena milomay, mitady ny fomba rehetra handrombahana ny fandresena. Mahavariana ny mahita ireo depiote amperinasa izay efa mitompoteny fantatra fa nandrombaka ny amboara. Mampametra-panontaniana fa ireo noheverina ho tompon’ny […]
SIAE andiany fahatelo: mampivondrona ireo mpandraharaha amin’ny sehatra samihafa
Hanampy betsaka amin’ny fitadiavana lalam-barotra sy fiaraha-miasan’ny samy mpandraharaha ny hetsika Salon international des acteurs économiques (SIAE) andiany fahatelo. Nasaina manokana amin’ity hetsika ity ny Nosy Mayotte. Fotoana iray hahafahan’ ireo mpandraharaha sy mpisehatra ara-toekarena mifanakalo hevitra, mifanerasera, mifampizara traikefa ary mitady fiaraha-miasa ny hetsika Salon international des acteurs économiques […]
TSELATRA
Lehilahy iray nikasa hamono tena teo amin’ny tetezan’ny Tanjombato, omaly maraina. Nifamaly tamin’ ny sakazainy io lehilahy io ka nitsoraka tao anatin’ny rano. Nanavotra azy anefa ireo mponina manodidina ka tsy maty izy. Raim-pianakaviana iray handeha hiasa vao maraina niharan’ny fanendahana nataon’ny olon-dratsy teny amin’ny Digue Anosipatrana, omaly. Nanohitra ireo […]
Efa simba ny razana: lehilahy hita faty tao ambany tetezana mainty
Nampihoron-koditra ! Raim-pianakaviana iray hita faty tao ambany tetezana mainty ao Toamasina, omaly maraina. Efa simba tanteraka raha ny fahitana ny razana satria efa nibontsina sady maimbo. Hatreto aloha tsy fantatra mazava ireo tompon’antoka tamin’izao vonoan’olona feno habibiana izao. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina ao Toamasina, […]




