Maty tao anatin’ny andro iray ny ramatoa iray sy ny zanany roa tao Antalaha. Nihinina hazandrano nisy poizina izy ireo. Nifanesy nindaosin’ny fahafatesana ny telo mianaka monina ao amin’ny fokontany Marintsoa, kaominina Antalaha, afakomaly. Nividy trondro teny amin’ny tsenan’Ankoalabe ny raim-pianakaviana, ny alatsinainy 3 jona teo, tamin’ny 5 ora hariva. […]
Taratra
Fandrobana teny Ambondrona : Jiolahy maty voatifitry ny polisy
Nirefodrefotra ny basy teny Ambondrona, omaly hariva tamin’ny 4 ora. Jiolahy nikasa handroba maty voatifitry ny polisy. Roa lahy nitam-basy nandroba renim-pianakaviana iray avy naka vola teny amin’ny Cash-point, etsy Ambondrona, omaly. Narahin’ireo olon-dratsy io renim-pianakaviana io rehefa avy naka vola. Nandeha moto ilay ramatoa ka nosakanan’ireo olon-dratsy ny moto. […]
« Semaine de la BD » : mandray anjara ny «Pejy maizina» an’i Riri
Tanterahina eny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, nanomboka omaly hatramin’ny 8 jona 2024, ny fampirantiana iarahana amin’i Riri, Malagasy mpanao tantara an-tsary. « Pejy maizina », io no lohatenin’ny tantara an-tsary miranty eny amin’ny AFT Andavamamba. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny hetsika “Semaine de la Bande Dessinée” ity fampirantian’i Riri ity. […]
Tononkira mahitsy fitoraka: mitondra ny hafatry ny fiarahamonina ny Groupe CB
Tarika anisan’ny manana ny tanjony eo amin’ny fanatontosana ny kanto ny Groupe CB. Ankoatra ny fahafinaretan’ ny sofina sy ny maso, omen-dry zareo lanja ny filazana ny zava-misy… Randrianarison Mamison Elysé, fantatry ny mpitia zavakanto any Fianarantsoa amin’ny solonanarana hoe : « CB ». Izy no mitarika ny Groupe CB. Miavaka amin’ny […]
Reniranon’ i Onilahy ; 110 ha ny ala potika ao amin’ny faritra arovana
Potika tanteraka ny tontolo iainana eto Madagasikara. May avokoa ny ankamaroan’ ny ala vokatry ny hetraketraky ny olombelona. Ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, manodidina ny 100 ha ny fahapotehan’ny ala manodidina ny faritra arovana amoron’ny reniranon’i Onilahy, ny taona 2023. Antony mahatonga izany ny fanaovana ny doro tanety, ny tavy, […]




