Taratra

“Ode ry Gasikarako” andiany faharoa : manambatra ny hery ho fiarovana ny tontolo iainana

Miantoka ny fampivoarana ny fiainan’ny olombelona ny tontolo iainana. Ilaina ny fanambarana ny hery rehetra ho an’ny fiarovana izany mba ho lovain-jafy sy hiainana mirindra miaraka amin’ny natiora. Ho an’ny taninjanaka! Loza mitatao ho an’ny mpiara-belona ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny karazana zavamananaina. Ilaina ny fandraisana andraikitra sy fiaraha-mientan’ny […]

Oniversiten’Antsiranana: nahazo trano fonenana manara-penitra ny mpianatra

Nankasitraka ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny mpianatry ny oniversiten’ Antsira­nana tamin’ny fahavitan’ny trano fonenana ho azy ireo. Natao ho fanampiana ny efa misy ao an-toerana izany. Trano misy rihana iray, R+1, mirefy 993 m2, ahitana efitrano 80, ary mahazaka mpianatra 160 ny fotodrafitrasa. Misy toerana natokana handrahoana ihany koa. Mitovy […]

Dio Sera: Manampy amin’ ny fanadiovana

Anisan’ny nahazo famatsiana ara-bola, amin’ny alalan’ ny tetikasa « Rano Maharitra sy Dio Sera » ny faritr’i Toamasina. Mitentina 10 tapitrisa dolara izany, izay entina miasa mandritra ny dimy taona. « Tena ilaina ny famatsiana toy izao ho fanatsarana ny lafiny fahadiovana sy fidiovana, mba hitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka », hoy ny ben’ ny Tanànan’i […]

Iray volana mialoha ny fanadinana: ankoatra ny famerenana, ilain’ny mpianatra ny fampaherezana

Ao anatin’ny fotoana famerenana faramparany ireo lesona ny mpianatra mialoha ny hiatrehina ny fanadinana. Tafiditra amin’izany ny torohevitra mahomby omen’ny mpampianatra hisian’ny fifantohan-tsaina. Iray volana katroka mialoha ny hifaranan’ny taom-pianarana isika izao. Efa miomana amin’ny fiatrehana ireo karazana fanadinana ara-panjakana sy fifindrana kilasy ny mpianatra rehetra. Samy manao ny ezaka […]

INDRAY MIJERY

Tsy mety midina ny vidin’ny tongolobe sy ny tongolo lay eny an-tsena. 6 500 Ar ny kilaon’iry voalohany ary 8 000 Ar kosa ho an’itsy farany. Raha hividy amin’ny toko indray, tongolobe roa vidiana 1 000 Ar ary 1 000 Ar ka hatramin’ny 2 000 Ar ny tongolo lay iray maina tsara. Akora […]