Taratra

«Festival Sabotsibe » ao Mandritsara : manan-danja ara-toekarena sy ara-kolontsaina ny omby

Fototry ny fihariana ao Mandritsara ny omby. Manan-danja eo amin’ny kolontsaina ihany koa. Manandratra ireo no tanjona voalohany amin’ny « Festival Sabotsibe ». Anisan’ny tsena goavana indrindra eto Madagasi­kara ny « Sabotsibe » ao Mandritsara. Tsenan’omby lehibe faharoa, aorian’ Amba­lavao izy io. Araka ny anarany, tontosaina isaky ny sabotsy, indroa ao anatin’ny volana, izany […]

FANTINA sy FINTINA

Dimy andro no tsy maintsy hamitan’ny sampana mpanisa vato (SRMV) ny asany, ary manana folo andro aorian’izay, hamoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ny Ceni. Araka izany, tombanana amin’ny 8 jona ny voka-pifidianana vonjimaika. Alohan’ny 26 jona, amin’ny 24 jona, kosa no mety hanambaran’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny voka-pifidianana […]

fihaonana an-tampony “Corée-Afrique” : handray anjara i Madagasikara

Hanainga anio sabotsy 1 jona, hihazo an’i Séoul, renivohitr’i Korea Atsimo, ny filoha Rajoelina Andry, sy ramatoa vadiny, hanatrika ny fihaonana an-tampony « Corée – Afri­que » izay hatao ny 4 sy 5 jona ho avy izao . Fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-politika, dip­lomatika ary ara-toekarena eo amin’i Korea sy ireo firenena afrikanina […]

Mahantra fisainana

  Vita izay ny resa-pifidianana, hivalona ny herinandro. Ny vokatra sy ny ho fiantraikan’izany amin’ny politika no sisa andrasana. Iaraha-mahalala rahateo fa misy ny faritra izay manomboka mihetsiketsika, manohitra ny heve­rin’izy ireo fa tsy rariny. Nisy ny nandoro biraom-panjakana. Maro ny efa mimenomenona sy mitady hirika na ny mpanohitra na […]

Fifidianana solombavambahoaka : naneho ny heviny ny vondrona iraisam-pirenena

Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo vondrona iraisam-pirenena, nanara-maso ny fifidianana teto Madagasikara. Tao anatin’izany no nitondran’izy ireo fanitsiana mahakasika ny lesoka hitany nandritra izany fifidianana izany. Nanatanteraka fanambarana teny amin’ny No­votel Ivandry ny avy amin’ny Sadc sy ny OIF ary ny Vondrona afrikanina, omaly. Mahakasika ny fahitan’izy ireo ny fifidianana solombavambahoaka […]