Nodoran’ny olona omaly ny biraon’ny Ceni ao amin’ny distrikan’i Tsihombe. Voalaza fa noho ny hatezeran’ireo andian’olona sasany tsy nankasitraka ny voka-pifidianana tany an-toerana no anton’izao. Niparitaka teny ivelan’ny trano avokoa ny antontan-taratasy rehetra momba ny fifidianana, tany an-toerana. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity raharaha ity. […]
Taratra
Lakana nivadika : olona dimy maty, telo hafa mbola karohina
Olona dimy, indray namoy ny ainy raha telo hafa kosa mbola karohina hatramin’ny omaly, araka ny tatitra nampitain’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambatondrazaka momba ny fivadihan’ny lakana tao amin’ny distrikan’Amparafaravola, ny alarobia teo. Niala tao Analatsivaha, fokontany Ambohimahavelona, kaominina Anororo, Amparafaravola, nikarama nitondra vary ny lakana roa niaraka tamin’ny […]
Toamasina : mpangalatra posiposy nodarohin’ny fokonolona
Nifanenjehan’ny fokonolona, vaky vava vokatry ny daroka ny lehilahy nangalatra posiposy tao Morafeno, Toamasina, omaly. Roa lahy niaraka naka io fitaovam-pitanterana be mpampiasa ao an-toerana io. Tsikaritry ny manodidina anefa ny fihetsik’ireo roa lahy. Nentin’ny iray nandositra ny posiposy. Tetsy ankilany, nifanenjehan’ny fokonolona ka tratra teo amin’ny toerana tsy lavitra […]
Hanatitra voka-pifidianana : sefo fokontany maty tampoka teny an-dalana
Namoy ny ainy teny an-dalana, raha handeha hanatitra voka-pifidianana ny sefo fokontany iray, omaly. Voalaza fa matin’ny aretim-po izy. Nijanona tampoka ny fitempon’ny fony, namoy ny ainy ny sefo fokontany ao Ampatakana, kaominina Manampaneva, distrikan’ i Mandritsara, omaly. Namita ny asany nandritra ny fotoam-pifidianana izy. Hanatitra ny voka-pifidianana io lehibena […]
«Rano Maharitra» sy «Dio Sera»: mitentina 45 tapitrisa dolara ny famatsiana rano
Natomboka omaly ny tetikasa vaovao miisa roa, tohanan’ny governemanta amerikanina, “Rano Maharitra” sy “Dio Sera” izay mitentina 45 tapitrisa dolara. Hanova fahazoana rano madio sy fanadiovana manerana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny USAID ny tetikasa. Ireo tokantrano ambanivohitra no tena kendrena hisitraka rano madio. Hitondra anjara biriky amin’ny vokatra ara-pahasalamana maharitra […]




