Hita taratra hatrany ny tsiokan’ny alizay any amin’ny tapany atsimon’ny afovoantany ary tsy marin-toerana izany any amin’ny afovoany atsinanana sy avaratra atsinanan’ny Nosy. Entanina ny mpampiasa ranomasina any amin’ny morontsiraka atsimo sy atsimo atsinanana ary any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanana hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana satria manonja be ny ranomasina […]
Taratra
Antsirabe II : mpiompy akoho 118 niofana
Marolafy ny tolotra fiofanana avy amin’ny sampandraharahan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ho an’ny daholobe. Anisan’izany ny fiofanana maimaimpoana momba ny fiompiana akoho gasy notanterahina tao Vakinankaratra. Miisa 118 ireo tantsaha sy tanora avy ao amin’ny fokontany Ambohimiarivo sy Tsaramody, distrikan’ Antsirabe II, no nisitraka izany. Notsinjaraina andiany […]
Dokotera Andriamiarinarivo Miarintsoa : “Lasa aloha loatra ny tanora sy ny ankizy mifoka sigara”
Efa namokatra boky torolalana hialana amin’ny fiankinandoha amin’ny sigara ny Centre Aro Aina, miaraka amin’ny dokotera manam-pahaizana manokana momba izany. Hifantoka amin’ny mpianatra sy ny mpanabe ny fizarana eny Andohalo, anio maraina. Velakevitra lehibe tontosaina eny amin’ny Lycée Andohalo, anio, ho an’ny daholobe, indrindra ny tanora sy ny ankizy mpianatra […]
TARATRY ny KANTO
Ceasar Grill Soanierana – Sehatra ho an’ireo mpivoy ny mozika an-tanàn-dehibe. Hifandimby hanafana ny fotoana anio, manomboka amin’ny 7 ora alina ry MBL, Eklyps, Money Row ary Lyrikal Jill. Hanaraka ireto mpihira ireto i Diojay, hanafana ny elanelam-potoana. Efa mahazatra ireo tanora mpankafy ny mozika amin’izao fotoana ny toerana. Eusébia […]
« Slam poèsie »-Konahy J: hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany
Hisolo tena an’i Madagasikara, mandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny « Slam poèsie », atao any Togo, ny volana novambra 2024, Andrianahy Zanadaory Joel Bastino, fantatra amin’ny anarana entiny miantsehatra hoe Konahy Junior. Izy, araka izany, no hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena, ankoatra an’i Santa izay niatrika ny fiadiana ny […]




