Taratra

Rebecca: « Maniry ny hivelatra kokoa amin’ ny mozika aho »

Nanoritra ny lalany tsikelikely teny i Rebecca. Tsy nihazakazaka nanenjika laza anefa izy, fa niverina nanampy traikefa amin’ny mozika mba hanatsarany ny tanjony. Mpanakanto tsara arahina akaiky… Anisan’ireo mpihira izay raisin-dRajery an-tanana amin’izao fotoana izao i Rebecca. Tsy tongatonga ho azy izany fiaraha-miasa izany, fa misy antony naharesy lahatra tao. […]

Fanabeazana: tsy heno intsony ny angano

Iray amin’ireo ambaratongam-panabeazana narahin’ny Malagasy ny fampiasana ny angano. Nifono fahendrena, manaitra ny saina handinika, mitandrina ny fanahy tsy ho voaloto, sns. Samy notrandrahina tamin’ny angano avokoa ireo. Vanim-potoana ankehitriny, nanomboka tsy heno intsony ny ray aman-dreny mi­tantara angano. Vitsy dia vitsy amin’ny ray aman-dreny sisa no mahay na mahafantatra […]

Nariana ny teny malagasy: tsy ho tazana ny fitiavan-tanindrazana

Rahampitso, hiditra ao anatin’ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy » i Madagasikara. Tahaka ny nahazatra hatramin’izay, hisy ny hetsika samihafa. Tsy ampy intsony anefa ireny manoloana ny fahapotehan’ny teny malagasy. Mahavariana, Malagasy tsy miteny amin’ny tenin-drazany. Mety mankahala izany mihitsy aza. Ny teny no mampifamatotra ny zaza amin’ny reniny, taniny, […]

Ririnina 2024 ; Dadafara : « Efa tokony hiova ny fidirana amin’ny hiragasy »

Eto Madagasikara ihany no ahitana ny hiragasy amin’ny firafitra tahaka izao ahitana azy ankehitriny izao. Na izany aza, kolontsaina sy zavakanto anisan’ny tsy nahazo vahana loatra izy ity… Milaza ny heviny momba izay i Dadafara Hiragasy. Gazety Taratra (*) : Tafiditra ao anaty ririnina i Madagasikara. Manao ahoana ny tontolon’ny hiragasy? […]

«LDC 2024» : hofantatra rahampitso izay ho tompondakan’i Eoropa

Fito taona aty aoriana! Hifandona indray ny ekipan’ny Real Madrid Espagne sy ny Dortmund FC Allemagne, ao amin’ny kianjan’ny Wembley Angleterre, rahampitso alina. Lalao famaranan’ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions (LDC) 2024”, ity hatao ity. Mbola manala vela ny ekipan’i Alle­magne. Tsiahivina fa ny taona 2017, resin’ny Real […]