Taratra

TARATRY ny KANTO

Atrikasa gitara klasika, etsy amin’ny IKM Antsahavola. Hotontosaina ny zoma 31 mey izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, iarahana amin’i Richard Claude Rabemalanto. Mpampianatra gitara klasika fanta-daza, efa nampianatra an-taonany maro tany Frantsa izy. Vonona hizara maimaimpoana ny traikefany ho an’ireo liana ity mpampianatra mpanakanto ity. Vita ny “Fetin’ny Reny”. […]

Fiarahamonina malagasy : tafapetraka ho azy ny raiamandreny

Ny isam-bohitra na isan-tanana, samy nanana ny rai­amandreny. Tsy nofidina ireo fa napetraky ny mpiara-monina. Tsy noho ny fananany harembe fa noho ny fisian’ilay fanahy hendry. Noho izy vatonamelankafatra mitazona ny fomba amam-panao. Maha­tahiry ireo fahalalan’ny razana. Mahatandrina ny hasina, sns. Tamin’ny ankapobeny ireo zokiolona sy ela nihetezana no napetraky […]

VAOVAO TAMBATRA

Azo tamin’ny volana novambra teo ny famatsiam-bola mitetina 60 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena hanarenana ny kaompania Madagascar Airlines. Fanampiana azo taorian’ny fanovana napetraka momba ny fitantanana sy nanekeana ny drafitra napetraka. Na izany, vinavinaina hiverina ny taona 2025 ny sidina iraim-pirenena ataon’ny kaompania. Hahena hatrany amin’ny 50% ny […]