Taratra

Raindahiny amin’ny fanafihana… : maty voatifitra i Mangerisetroka

Nidonan-tsekotra! Tapitra hatreo ny tantaran’ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana fantatra amin’ny anarana hoe Rakotonanahary François de Charles na i Charles Be na koa i Mangerisetroka, araka ny fahafantaran’ny olona azy. Lavon’ny balan’ny zandary tao Anjeva Gara, ny alatsinainy teo izy. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, tompon’antoka tamina fanafihana tao Andramanonga, […]

Hasarotam-piaro namoa-doza : maty novelesin’ny rafilahiny tavoahangy ilay lehilahy

Niafara tamin’ny famoizan’aina ny fifandirana nisy teo amin’ny mpivady tao anaty trano fandihizana iray tao Antalaha, ny alin’ny alahady 26 mey teo. Rafilahin-drangahy ihany no namono azy. Maty tsy tra-drano voavelin’ny tavoahangy nataon’ny rafilahiny ny lehilahy iray tao Maromikotra, kaominina Ampahana, dis­trikan’Antalaha, ny alin’ny 26 hifoha 27 mey teo. Naka […]

Rally Run : hatao ny 2 jona ho avy izao ny dingana faharoa

Hotanterahina eny amin’ny la Base 213 Arivonimamo, ny dingana faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara “Rally Run Mada 2024”. “Hiavaka ny fifanintsanana amin’ity. Hasiana lera amin’izay ny lalaon’ireo mpifaninanana Open”, hoy ny mpikarakara, Ranaivo Rindra, filohan’ny klioba Antananarivo Moto Auto (Ama), ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny CT Motors Andraharo. […]

SOMBIM-BAOVAO

Hanatrika fiofanana natokana ho an’ireo zazavavy mpilalao basikety latsaky ny 23 taona any Kigaly Rwanda, ny 27 mey-2 jona ho avy izao, Rakotonanahary Joanie Anyssa. Hetsika izay mitondra ny anarana hoe « BAL’HER Camp », karakarain’ny Fiba eto amin’ny kaontinantan’i Afrika. Afaka tapa-bolana, handeha ny fifaninanana “Trophée du Choc”, andiany fahefatra amin’ny […]

Mondial 2026 : hanao ny marika matihanina ny Barea

Hanainga anio, hihazo an’i Afrika Atsimo, ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar. Araka ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), mety hitondra ny marika matihanina Umbro ny Barea. Raha tsy misy ny fiovana farany eo amin’ny FMF, fanamian’ity marika iray ity no hanaovan’ny ekipa malagasy mandritra […]