Nisokatra nanomboka ny sabotsy teo ny taom-piotazana lavanila ao amin’ny faritra Diana. Hentitra ny fanaraha-maso noho ny fampiasana ny karatra manokana hanamarihina ny fifanakalozana ara-barotra. “Harahi-maso ny toerana hamarotana ny lavanila arakaraka ny tetiandro izay nomanina niaraka tamin’ny CRV. Noho izany, mampiseho ny karatra maha matihanina ny mpanangom-bokatra, na ny […]
Taratra
Mifoha sy miofo
Vita soa aman-tsara ny fifidianana izay ho solombavambahoaka, manerana ny Nosy, omaly. Nilamina ny zava-drehetra tamin’ny ankapobeny. Tonga ara-potoana ny ankabeazan’ny fitaovana nentina niasa. Toraka izany ny mpiantsehatra rehetra teny anivon’ny birao fandatsaham-bato. Afaka niasa ny solontenan’ny kandidà. Mazava ho azy fa izay afaka nanakarama « delege ». Ity farany izay […]
Fanamboaran-dalana : tombanana ny RN 12 sy ny RN 24
Nijery ifotony ny fizotry ny asa any amin’ny lalam-pirenena RN 12, mampitohy an’Irondro sy Vangaindrano, sy ny RN 24, mampifandray an’Andranomborondolo hatrany Vohilava ny Fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Niaraka tamin’izy ireo koa ny avy amin’ny orinasa La Précision manao ny asa, ny Bureau d’études […]
TSELATRA
Mpangalatra telefaonina tao amin’ny tranombarotra iray, tao amin’ny fokontany Ambolomadinika, Toamasina, niharan’ny daroka sy vono nataon’ny fokonolona, afakomaly. Nilaza hividy telefaonina io lehilahy io kinanjo nentiny nandositra ny entana. Nifanenjehan’ny manodidina izy ka noraisim-potsiny. Hita faty natsingevan’ny ranomasina tao akaikin’Antaiby Vietnam, distrikan’i Sambava, ny lehilahy iray natelin’ny rano, afakomaly. Nifampitadiavan’ny […]
Nanao tifi-danitra ny zandary : olona roa maty nipitihan’ny bala
Maty tsy tra-drano ny olona mianadahy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambinanindrano Mahanoro, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Nisy alim-pandihizana nokarakarain’ olona iray tao an-toerana. Nanao fampisehoana ankalamanjana ny mpanakanto iray tamin’io fotoana io raha alim-pandihizana jiromena kosa ny alin’io. Olon-tsotra no nikarakara izany. Teo no nitranga ny olana noho ny tsy […]




