Naratra mafy ny mpandeha moto iray nifandona tamina fiara kely iray, teny Amoronakona, ny sabotsy teo. Vokatry ny fandehanana mafy teo amin’ilay mpitondra moto no nahatonga ny loza. Nikasa hisongona fiara iray teo alohany izy kanjo nifanehatra tamin’ilay fiara kely avy any By-Pass. Potika tanteraka ilay moto. Nentina hopitaly kosa […]
Taratra
67 ha : mpanendaka iray lavon’ny polisin’ny Sag
Toy ireny amin’ny horonan-tsarimihetsika ireny ! Nirefotra indray ny poa-basy teny 67 ha, ny zoma alina teo. Jiolahy iray avy nanendaka niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana toy ny sabatra sy antsibe no maty rotiky ny balan’ny polisin’ny Sag teny 67 ha akaikin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy. Avy nanendaka lehilahy iray tamin’iny lalana iny […]
Maty teo am-panasarahana ady : nosamborina ireo efa-dahy namono ilay raim-pianakaviana
Efa-dahy naiditra vonjimaika any am-ponja taorian’ny famonoana raim-pianakaviana iray teny Lazaina, kaominina Anosy Avaratra, ny zoma 25 mey teo tamin’ny 03 maraina. Nisavorovoro, niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana ny disadisa nisy teo amin’ireo tovolahy miisa efatra. Nahita ny zava-nisy, nanasaraka ireo efa-dahy niady ilay raim-pianakaviana. Rain’ny iray tamin’ireo nifampikasin-tanana izy. Voan’ny totohondry […]
Nanendaka vehivavy… : jiolahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka
Tsy namelan’ny vahoaka raha tsy maty ilay jiolahy nanendaka vehivavy iray tao Andranomadio Toamasina, ny alin’ny zoma teo. Niantso vonjy ilay niharan’ny fanendahana ka nifanenjehan’ny olona ity jiolahy ity… Mahazo vahana indray ny fitsaram-bahoaka ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana noho ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana. Jiolahy iray 45 taona no […]
Fanakatonana Radio : tsy mbola naharay taratasy ofisialy ny OJM
Naneho hevitra fohy tamin’ny alalan’ny haino aman-jery ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), i Monica Rasoloarison, manoloana ny fanakatonana Radio tato ho ato. Nambarany fa tsy mbola naharay taratasy ofisialy momba izany izy ireo. Na izany aza, efa mandeha ny fanadihadiana. Nanteriny fa ny asa fanaovan-gazety sy ny mpanao […]




