Taratra

Andrianainarivelo Hajo : “Aoka tsy hanao ririnin-dasa tsy tsaroana”

Nitondra ny heviny manoloana ny fanakatonana haino aman-jery tato ho ato ny filoha nasionalin’ny MMM, i Andrianainarivelo Hajo. “Ampahatsiahiviko fa sao misy manao ririnin-dasa tsy tsaroana isika. Anisan’ny nahatonga ny hetsi-bahoaka ary na­harava ny fitondrana tamin’izany ny fanakatonana ny fa­hitalavitry ny mpitondra amin’izao fo­toana izao”, hoy izy. Nanteriny fa mba […]

VAOVAO TAMBATRA

Milanja 3,5 kilao ny volamena naondran’i Madagasikara ara-dalàna ka mitentina 978,215 miliara Ar ny vola azo. Mbola ambany lanja io raha oharina tamin’ny vina napetraky ny filoha nandritra ny 100 andro izay 500 kilao. Mitaky ezaka goavana ny hanatrarana ny tanjona hanondranana volamena 6 taonina ho an’ity taona 2024 ity. […]

Fiainan’ny orinasa: mivoatra ny fitantanana olombelona (RH)

Miantoka ny fandrindrana ny fiainana maha olona, indrindra eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana ny serasera. Antony nahatonga ny Dr Fabrice Lollia, manam-pahaizana eo amin’ny serasera, ni­zara ireo torohay sy fomba ha­natsarana ny fifandraisana sy fifanakalozana anatina orinasa sy eo amin’ireo mpitantana ary mpandraharaha. «Paikady si­antifika voamarina sy ma­hom­by […]

Ambohimasina : fotodrafitrasa maro ho an’ny mponina

Misitraka fotodrafitrasa maro ny mponina any amin’ny kaominina Ambohimasina, distrika Arivonimamo, faritra Itasy. Nanohana ny tetikasa ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud) sy ny mpiara-miombon’antoka maro. Anisan’izany ny tohodrano vita « béton », afaka manondraka lemaka 80 ha, ahafahana mamboly vary sy legioma. Tohodrano vita tamin’ny tany ny teo taloha, […]