Taratra

Fitsidihana ataon’ny filoha: mifantoka amin’ny fitsinjovana ny maha olona ny fotodrafirasa

Fotodrafitrasa maro samihafa no notokanana sy natolotra ny vahoaka eny ifotony, nandritra ny fitsidihana nataon’ny filoham-pirenena. Izany no natao dia ho fanatanterahina ny vina sy ny fanamby napetraky ny fitondram-panjakana. Tontosa omaly alakamisy 23 mey 2024, ny fidinana ifotony sy fitsidihana, nataon’ny filoham-pirenena , Rajoelina Andry. Analalava sy Bealalana ary Nosy […]

TSELATRA

Sekoly tsy miankina iray kilan’ny afo tao Anativolo, distrikan’Anjozorobe, omaly atoandro. Nirehatra tao anatin’ny minitra vitsy ny afo. Niezaka nifehy ny fokonolona saingy kila tsy nisy noraisina ny efitrano fianarana. Ahin’ireo mponina ao an-toerana fa niniana nodoran’olon-tsy fantatra io sekoly io. Misokatra ny fanadihadiana. Vehivavy roa tratra nangalatra voly teny […]

Tratran’ny kendry tohina : mpangalatra omby maty voatifitry ny zandary

Dahalo raindahiny amin’ny halatra omby, lavon’ny balan’ ny mpitandro filaminana tao Amparihibe, kaominina Maro­tandrano, distrikan’i Mandri­tsara, afakomaly. Nahita omby iray tsy fanta-piaviana hitan’ny fokonolona tao amin’io tanàna io. Nifatotra soa aman-tsara anaty saha anefa io omby io. Nandrasan’ny mpitandro filaminana, araka izany, izay olona haka azy. Tsy nisy nanatona mihitsy […]

Marais Masay : raim-pianakaviana hita faty

Natsingevan’ny farihin’ny Masay ny fatin’ny raim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona, omaly. Olona iray sendra nandalo vao maraina no nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa tao anatin’ny rano. Niezaka nitazan-davitra izy kinanjo fatin’olona efa natopatopan’ny rano io hitany io. Nampandre ny mponina manodidina avy hatrany io mpandalo io. Niezaka nisintona io fatin’olona io […]

Roa lahy saika niharan’ny fitsaram-bahoaka : Sembana nampiasaina ho fitadiavam-bola

Soa fa haingana ny fahatongavan’ny polisy fa raha tsy izany saika tratran’ny fitsaram-bahoaka ireo roa lahy nitondra gony nifatotra misy olona mihetsiketsika tao Verrerie Toamasina, omaly. Noheverin’ny olona fa mpangala-jaza hay olona sembana hitadiavam-bola no tao anaty gony… Raikitra indray ny savorovoro teo amin’ny mponina tao amin’ny fokontany Verrerie Toamasina, omaly. […]