Tokony ho fantatry ny rehetra fa manomboka ny hariva vao mihilana ny masoandro ka mandra-paharainan’ny andro no manaikitra ny moka vavy, anophèles, mamindra ny tazomoka. Monina amin’ny toerana maizimaizina sy lobolobo ary manatody anaty rano mangarahara io moka mitondra tazo io. Tsy mifindra amin’ny alalan’ny fihinanana voankazo, toy ny manga, […]
Taratra
Vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro: lasa manaikitra aloha ny moka mitondra tazo
« Vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro dia miova manaraka izay koa ny fomba fiainan’ny moka. Lasa manaikitra atoandro kokoa ny moka tsy toy ny taloha », hoy ny tale misahana ny areti-mifindra, ny Dr Andriamino Brusa. Vao mihilana ny masoandro dia manomboka manaikitra ny moka. Nirongatra izany tamin’ny taon-dasa izay fotoana […]
Fahasalamam-bahoaka: mbola tena mamono olona ny tazomoka
Aretina fahatelo, mamono olona eto Madagasikara ny tazomoka. Misy ny paikady vao nohavaozina ho enti-miady amin’izany. Distrika 53 no tena mbola misy tazo. Notanterahina tao Morondava, omaly, ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny tazomoka. Aretina fahatelo mamono olona indrindra eny amin’ny hopitaly manerana ny Nosy izy io ary faharoa […]
Fetin’ny Reny : omena « Fehezan-kalo » i Neny
Hafa tsy tahaka ny nahazatra! Sady fanomezan-danja ny kolontsaina malagasy no fanomezan-kasina ny Reny. Hotoloran’ny Foibe fikarohana sy fampiofanana momba ny mozika « Valiha Académie » fehezan-kalo ny Reny rehetra. Tendren’izy ireo amin’ny valiha ka alefany ao anaty facebook izany. Avy amin’ny famelomana sy famerenana ary fampahatsiahivana (Cover) ny sanganasan’ireo andrarezin’ny hira […]
« In the name of love »: hamoaka rakikira vaovao ny Hell’s Rush
“Aza kivikivy”. Rakitsary iray an’ny Hell’s Rush, ahitana ny firafitry ny tarika amin’izao fotoana io. Anisan’ireo hira mandrafitra ny rakikira vaovao, “In the name of love” izany. “Rakikira noketrehina tato nandritra ny fotoana elaela izy ity. Eo foana ny maha mpanao rock, saingy misokatra be izahay fa tsy voafehin’ny hoe […]




