Miofana eto Antananarivo ireo mpampiofana ny ho delegen’ny kandidà amin’ny birao fandatsaham-bato, amin’ny fifidianana depiote. “Mba hitovy ny fomba fiasa amin’ny fanisam-bato na famenoana ny antontan-taratasim-pifidianana ny anton’ny fiofanana”, hoy ny avy amin’ny Ceni, i Soava Andriamarotafika. Hitohy any amin’ny distrika izany avy eo. Nampanantena ny eo anivon’ny Ceni fa […]
Taratra
sehatra iraisam-pirenena : mitaky fanarahan-dalàna amin’ny fifidianana
Nanamafy ny efa voalazan’ ny Amerikanina. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena eto amintsika. Maromaro ireo fangatahana napetrak’izy ireo amin’izao hiatrehina ny fifidianana depiote izao. Manamafy ny fanohanany ny zotram-pifidianana mangarahara, azo antoka sy tsy mitanila ary andraisan’ny rehetra anjara, izy ireo, araka ny fanambarana. Hentitra koa anefa ireto […]
Ny mahery tsy maody…
Tao anatin’ny andro vitsivitsy, nivadika tanteraka ny toetr’andro. Toa efa niampita any amin’ny andro ririnina isika eto Madagasikara, indrindra ny eto an-drenivohitra. Toraka izany ny any amin’ny manodidina. Vanim-potoana mampirongatra ny karazana areti-mifindra no dikan’izay. Indrindra ny gripa mahery, na ireo aretina hafa mahazo ny taovam-pisefoana. Mila mitandrina ny […]
Rajoelina Andry : «Miroso hatrany isika ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara»
“Aleo hifanakaiky, aleo hiara-kiasa” hoy ny Filoham-pirenena, nandritra ny fidinana ifotony nataony omaly. Distrika sy kaominina maro no efa nisitraka izany fidinana ifotony izany. Hitohy hatrany izany ho fijerena ny mararin’ny vahoaka, araka ny nambarany. Tany Vohibato sy Ikongo ary Ivohibe indray ny filohan’ ny repoblika, Rajoelina Andry, no nanatanteraka […]
Trafikana harem-pirenena : lehilahy nahatrarana sokatra 376
Voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy tao Sanfily Toliara, ny lehilahy iray mpanao trafikan-tsokatra, omaly. Nitondra gony sy sakaosy io lehilahy io. Nikasa hihazo ny renivohitra izy. Naharay loharanom-baovao anefa ny mpitandro filaminana fa entana mampiahiahy ireo nentin’io lehilahy io ireo. Niroso tamin’ny fikarohana sy ny fisavana ny entany […]




