Hita faty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Maromitety, distrikan’i Vavatenina, afakomaly, ny Tangalemana iray 70 taona. Natsipin’ireo nahavanon-doza tao anaty dobo ny razana. Teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Magnano bingy , iray kilometatra tsy hidirana ny renivohitry ny kaominina ambanivohitr’i Maromitety no nahitana ny fatiny efa natsingevan’ny […]
Taratra
Ambohitrimanjaka : fiara nitsoraka tany an-tanimbary
Nitrangana lozam-piarakodia indray teny Ambohitrimanjaka, omaly tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Fiara marika Mercedes iray no nivadibadika tany an-tanimbary. Naratra mafy ny mpamily, tsy vitan’izay fa mpandalo iray voafaokan’ ilay fiara ka naratra mafy ihany koa. Nandalo an’Ambohitrimanjaka hihazo an’Andranotapahana ity fiara ity kanjo tra-doza tampoka. Voalazan’ireo olona nahita […]
Nandroba sady nanolana : nalefa eny Tsiafahy i Livakely, jiolahy raindahiny
Nokarohina nandritra ny herintaona, jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana tao Manjakandriana voasambotra. Nalefa eny Tsiafahy hiandry ny fotoam-pitsarana azy. Notanana vonjimaika eny Tsiafahy, ny jiolahy raindahiny, fantatra amin’ny solon’anarana Livakely, afakomaly. Tompon’antoka sady atidoha nikotrika ny fanafihana mitam-piadiana niseholany tao amin’ny kaominina Manjakandriana, ny volana desambra 2023 sy janoary 2024 […]
Vinaninkarena Antsirabe : napetraka ny Centrale agro-photovoltaïque
Fanambin’ny fitondram-panjakana ny hampiroborobo ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Ankehitriny, tafapetraka ao Vinaninkarena Antsirabe ny tobim-pamokarana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, izay hisahana ny 20% ny filàna ao an-toerana. Herinaratra ho an’ny rehetra! Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena ny fampiroboroboana ny fisitrahan’ny tokantrano ny herinaratra sy fampandrosoana ny sehatry ny […]
Famahana ny olan’ny fananan-tany : nizarana karatany ny any Vakinankaratra
Mitohy hatrany ny fizarana karatany faobe manerana ny Nosy, amin’ny alalan’ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana. Manatanteraka izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nahazo izany ireo distrika miisa roa any Vakinankaratra, ny 15 mey teo. Miisa telo ireo kaominina nizarana karatany maherin’ny 34 500 ho an’ny distrikan’Antanifotsy. […]




