Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, omaly, fa mampihatra hatrany ny mangarahara izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny momba ny lisitry ny mpifidy. “Misokatra amin’ireo kandidà depiote ny lisitry ny mpifidy, nofaranana ny 15 mey teo”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama. Nambarany fa azo atao ny maka izany saingy tsy maintsy […]
Taratra
TSELATRA
Maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny lalana mampitohy an’i Mahasolo sy Bemahatazana. Teo amin’ny toerana atao hoe Ampoharamaso, fokontany Fenomanana, kaominina Mahasolo no nitrangan’izany, afakomaly. Nivoaka tampoka ny lalana ny “tracteur” nentin’izy mivady vokatry ny olana ara-teknika. Naratra ilay ramatoa vadiny. Naiditra eny Tsiafahy, afakomaly, […]
Samy mpianatry ny Lycée: tovovavy iray maty notsindronin’ny sakaizany antsy
Maty notsindronin’ny tovolahy iray antsy ny tovovavy iray sakaizany tao amin’ny fokontany Mananara, Anjozorobe, afakomaly hariva. Voalaza fa hasarotam-piaro no nahatonga ny adin’izy ireo ka izao niafara tamin’ny vonoan’olona izao. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ ny mpiara-mianatra amin’izy ireo, samy mpianatra kilasy voalohany (1ère) ao amin’ny Lycée Anjozorobe ireto […]
Sokatra tratra tany Thaïlande: Karohina ny toerana namoahana ireo biby
Manohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana hamantarana ny toerana nivoahan’ireo sokatra tratra tany Thaïlande ny zandarimaria, ny ekipan’ny Dred ary ny MNP amin’izao fotoana. Faritr’ala 28 no hita mandrafitra ny faritra Atsimo Andrefana. Komity ifotony momba ny valanjavaboahary 425 ihany koa miara-miasa amin’ny MNP. Tsy ahitana sokatra “astrochelys radiate” ao […]
Kidnapping Ankazobe-Anjozorobe: tratra ny mpamatsy bala sy basy
Miasa mafy ny zandary! Voasambotra taty an-drenivohitra ny lehilahy roa, ahina ho mpamatsy bala sy basy ny mpaka an-keriny. Tratra ny basy lava sy basy poleta, miampy bala amin’ny baoritra. Manao ny ainy tsy ho zavatra ny zandarimaria! Manomboka voafehy tsikelikely ny faritra fivezivezena sy fieren’ny jiolahy, manomboka tratra tsikelikely […]




