Haharitra hefarana ny fanaovam-baksiny faobe, maimaimpoana, hiarovana amin’ny aretina lefakozatra manerana ny Nosy. Ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 15 taona ny fatra ho an’ity andiany voalohany ity. Hanomboka anio ary hifarana ny zoma 17 mey, ny fanaovam-baksiny faobe miaro amin’ny aretina lefakozatra, ho an’ny zaza sy ny ankizy latsaky […]
Taratra
Vola 50 Ariary volamena : Jifaina amin’ny vidiny 12 tapitrisa Ar
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny famarotana ilay vola 50Ar vita amin’ny volamena manamarika ny faha-50 taon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Afaka manjifa izany, amin’ny vidiny 12 tapitrisa Ar, ny rehetra amin’ny alalan’ny fisoratana anarana eny anivon’ny BFM. « Hanamarika ny tantaram-pirenena ny fametrahana ny vola volamena izay hanamarin-toerana sy hanome […]
Jirama: Tomponandraikitra 48 niakatra teny amin’ny Pac
Niverina niakatra teny anivon’ny Pôle anti-corruption (Pac), omaly, ny raharaha maha voasaringotra ireo tomponandraikitra 48 eo anivon’ny orinasa Jirama. Voarohirohy tamina fanodinkodinam-bolam-panjakana, fanararaotam-pahefana, firaisana tsikombakomba ary famotsiam-bola izy ireo. Anisan’ izany ny tale jeneralin’ny orinasa teo aloha miisa roa, Andriamanga Vonjy, Radanielina Rivo Herilala, ny tale kabinetran’ny orinasa, Rasamimanana Vonjy, […]
fizahantany: nivoaka ny tondrozotra
Firenena anisan’ny mahasarika mpizahatany i Madagasikara noho ny hakantony sy ny fananany ireo karazan-javamananaina isan-karazany. Napetraka ny tondrozotra ho an’ny fampandrosoana io sehatra io, nandritra ny Fihaonambe iraisam-pirenena tamin’ireo mpamatsy vola, ny zoma teo, tetsy Ambodivona. Tanjon’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ny hampiroborobo ny sehatra eto Madagasikara, hametraka […]
Raharaha Thaïlande: olona 18 voasaringotra
Mitotaly 18 ny olona voasaringotra tamin’ny fanondranana varika 48 sy sokatra 1 076, tany Thaïlande. Niakatra teny amin’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac), omaly, ireo tratra teto Madagasikara. Hatramin’ny ora farany nanoratanay dia mbola ilay teratany sinoa iray, voasambotra teto Madagasikara mahakasika ny fanondranana antsokosoko ireo varika 48 sy sokatra 1 076 […]




