Hafaliana hatrany ho an’ireo mpankafy azy. Mandalo an-tanindrazana indray, ary hiaka-tsehatra hiaraka amin’ireo namany tao amin’ny Lôlô sy ny tariny, i Hanitra Ranaivo. «Maninona e?”, “Misy voalohany, misy farany”, “Tara”, “Olona manavy”, “Jakarandahy”, “Mpivahiny”, sns. Ireo ny hira tena nahenoana ny feon’i Hanitra Ranaivo, tao amin’ny Lôlô sy ny tariny. […]
Taratra
Minisitry ny Raharaham-bahiny : “Misy ny fifampiraharahana hamerenana ny volamena 73 Kg”
«Misy ny fifampiraharahana eo amin’ny fanjakana afrikanina tatsimo amin’ny fanohizana ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny famerenana io volamena io», hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tamin’ny mpanao gazety teny Anosy, omaly, ny amin’ny volamena 73 Kg avy aty Madagasikara tratra tatsy Afrika Atsimo, efa-taona lasa. Miara-misalahy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana […]
INDRAY MIJERY
Hamaritra ny toetr’andro eto Madagasikara ny varatraza malefaka. Mety mbola hahazo orana malefaka ny morontsiraka afovoany atsinanana sy ny morontsiraka avaratra atsinanana. Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Toamasina sy ny tanjona Bobaomby ary ny eo anelanelan’i Morombe sy Vangaindrano hitandrina. Misy ny filazana fampitandremana mahakasika ny haavon’ny alondrano. Tafiditra […]
Fiainam-pirenena: mila mandray andraikitra ny vehivavy
Napetraka teto Madagasikara ny volana novambra ny AWLM-Madagasikara, izay tohanan’ny tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Nisy ny fihaonana tafiditra anatin’ny tetikasa « Mahasaky », ho fampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny tanora sy ny vehivavy, ho fanamafisana ny demokrasia sy ny fandriampahalemana. Manohana ny tetikasa ny rafitry ny Firenena mikambana momba ny […]
Mpianatra 26 naratra : Tsaboina ao amin’ ny CHU Tambohobe
Efa voaray ao amin’ny Hopitalibe CHU Tambohobe, Fianarantsoa, avokoa ireo mpianatra 26 naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho ny alahady lasa teo. Niala avy any Andranomafana, distrika Ifanadiana, ho any Betafo ity fiara nitondra mpianatra ity. Alohan’ny hidirana an’i Vohiparara no niseho ny loza, tokony ho tamin’ny 5 ora maraina, ny […]




