Taratra

Behenjy : fatin-dehilahy nisy nandevina antsokosoko

Namoaka fofona maimbo, fatin-dehilahy iray hitan’ny fokonolona, nisy nandevina antsokosoko tao Sarimasina, fokontany Kianja avaratra, kaominina Behenjy, afakomaly. Mpandalo no nahatsikaritra io razana io. Nampandre ny manodidina sy ny mpitandro filaminana izy. Nanadihady sy nijery ny zava-nisy ny zandary. Lehilahy fotsy fihodirana tsy nisy volon-doha fa lava volom-bava io nisy […]

Mitohy ny fampiraharahana: andrasana ny fampodiana ny volamena

Taorian’ny fanambarana nataon’ny minisitry ny Raha­raham-bahiny, Rasata Rafara­vavitafika, tamin’ny alatsinainy lasa teo, dia misy ny dingana vita. Nilaza ity tomponandraikitra ambony ity fa an-dalana ny fampiraharahana amin’ny fanjakana afrikanina tatsimo amin’ny fampodiana ny volamena. Ireo tompon’antoka tratra ambodiomby, tany an-toerana, no nisava lalana ny entana. Tsiahivina fa ny 31 desambra […]

Behenjy: maty voatifitra i Tsimisangy

Maty rotiky ny balan’ny zandary, nandritra ny fifandonana teny Ambohimangakely, afakomaly, i Zena na i Tsimisangy. Teo am-piomankomanana ny hanafika mpandraharaha iray ao Ankadindambo Ambohimangakely izy sy ireo namany. Efa fantatry ny zandary mialoha anefa ny toerana hiafenan’ireo jiolahy mikotrika fanafihana ireo. Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa jiolahy mpangalatr’omby […]