Maro dia maro ny olona niakatra teny amin’ny fampanoavan’ny Sampandraharaham-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), omaly. Tsy mbola nisy tahaka izany angamba teny amin’ny Lapan’ny fitsarana 67 ha. Nirodorodo ny mpanatitra antontan-taratasin’ady mahamay, toy ny fadintseranana sy ny Jirama. Anisan’ny nandrasan’ny maro ny mahakasika ny trafikana harena voajanahary […]
Taratra
Sekretera nasionaly, Rasoamaromaka Hery : “Misy kandidà misandoka ho natolotry ny Irmar…”
Hentitra ary nahitsy ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery, omaly. Nambarany fa misy mitonona ho kandidà mpanohana ny fitondrana nefa tsy Irmar akory. “Tsy misy kandidà depiote mahaleo tena izany ka manohana sy miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Ireo nahazo ny tsodranon’ny foibe ihany no kandidàn’ny Irmar sy natolotra ary nankatoavin’ny filoha […]
TSELATRA
Olona iray maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny By-Pass akaikin’ny Domaine, omaly hariva. Olona nanao taingin-droa tamin’ny moto ireto tra-doza tampoka ireto. Nifandona tamin’ny kamiaobe ka ilay olona nipetraka taorian’ilay mpitondra moto no voahitsaka. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana ny polisy. Fasana telo nisy namaky tao Ambohipeno, kaominina Arivonimamo, afakomaly alina. Razana […]
Mpifankatia niady: maty nihantona teo an-tokotany ilay ramatoa
Hita faty nihantona teo an-tokotanin’ny sakaizany tao Vavatenina, ny alahady teo, ny renim-pianakaviana iray 40 taona. Manan-janaka roa samy efa lehibe ity renim-pianakaviana ity saingy efa maty vady, ny taona 2012. Miaraka amin’olona efa ho telo taona anefa izy taorian’ny nahafatesan’ny vadiny. Mpiasa amina orinasa tsy miankina iray io sakaizany […]
Mpianatra 17 lasibatra : sekoly iray hotohoton’ny afo
Levon’ny afo ny trano fianarana iray, tao amin’ny tanànan’Antafiandramasy, Ambovomamy, kaominina Boriziny II, ny alahady 12 mey teo, tamin’ny 11 ora alina. Niredareda ny afo ka kila avokoa ny fitaovana rehetra tao an-dakilasy. Potika tao anatin’ny minitra vitsy nisian’ny firehetana ny latabatra hatramin’ny solaitrabe. Trano iray nisy ny fitaovam-piaranana, toy […]




