Taratra

Lehilahy voatifitra tetsy Ambohibao: teratany sinoa sy ny vadiny voasambotra

Niara-voatazona eny amin’ny zandary Ambohibao, ny alahady 12 mey teo, ny teratany sinoa iray sy ramatoa vadiny. Nifititra olona tsy nahy ilay ramatoa. Nosamborin’ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohibao ny teratany sinoa iray sy ny vadiny momba ny vono olona tao Miadapoana, kaominina Am­bohibao Antehiroka, ny ala­hady 12 mey teo. […]

Fiatrehana ny fifidianana : mbola mitaky ny hanadiovana tokotany ny MFM

Tsy mivaona amin’ny efa nambarany. Nambaran’ ny mpikambana MFM, Ravaoholisoa Hanitra, mbola mijoro amin’ny foto-keviny izy ireo, manoloana ny raharaham-pifidianana. “Tsy maintsy diovina aloha ny tokotany”, hoy izy. Anisan’ny efa notakin’izy ireo hatramin’ny herintaona ny hanesorana amin’ny toerany ireo mpikamban’ny Ceni sy ny HCC. Tsy tanteraka izany ka antony tsy […]

VAOVAO TAMBATRA

Nahazo aina ny vola malagasy nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2024. Izany hoe, niakatra 6,2% ny sandan’ny Ariary raha oharina amin’ny Euro sy ny dolara izay mihoatra ny 4,8%. Mahatratra 80% ny fampodiana ny vola vahiny tamin’ny fanondranana nataon’i Madagasikara nandritra ny volana marsa teo. Miisa sivy ireo orinasa […]

Fivadiham-pitokisana : mpiambina nivarotra ny tanin’ny mpampiasa azy

Mailo! Mirongatra tanteraka amin’izao fotoana izao ny hala-tany eto an-drenivohitra sy ny manodidina ary ny any amin’ny faritra. Lehilahy mpiambina iray miasa eny Manazary Ilafy no nahavita nivarotra ny tanin’ny mpampiasa azy tamina an­dian’olona maro. «Monina sy miasa ao amin’io tananay io aman-taonany maro ity lehilahy ity ka izao nivadi-pitokisana […]

“Festival des baleines”: hanomezana lanja ny sakafo malagasy

Hotanterahina ny 13 ka hatramin’ny 21 jolay, ao amin’ny nosy Boraha (Ste Marie), ny “festival des baleines” andiany fahafito. Homena lanja manokana mandritra izany ny mampiavaka ny sakafo malagasy. Manana ny lazany eto Madagasikara sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity hetsika ity, noho izy mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany, indrindra […]