Hentitra amin’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ny firaisamonim-pirenena. Mampitandrina ireo mpanondrana antsokosoko ny bibidia sy ireo hazo sarobidy izy ireo ka manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana hanaraka akaiky ny raharaha. Miha matanjaka sy mahazo vahana ny tambajotra mpanondrana ny harem-pirenena amin’izao fotoana izao. Mazàna mirongatra ihany koa ny fanondranana […]
Taratra
Fanadinana bakalorea : manomboka ny adina ara-panatanjahantena
Nanomboka ny sabotsy teo ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny bakalorea eto Antananarivo. Natomboka tamin’ny taranja lomano izany tetsy Ampefiloha. Hitohy ny adina hatramin’ny 21 jona izao. 215 ireo mpiadina nisafidy ny taranja lomano. Mahatratra 80 000 kosa ireo mpiadina rehetra hiatrika ny adina ara-panatanjahantena amin’ny sokajy rehetra manerana an’Analamanga. Nilamina […]
INDRAY MIJERY
Manana tombony ny tanora eny amin’ny kaominina Ambohimangakely, afaka mianatra teny espagnol maimaimpoana. Nisokatra ny faran’ny herinandro teo ny fanatanterahana izany, izay haharitra 5 volana. Heverina hahay ny fototra amin’ny fiteny espagnol ireo mahatozo hatramin’ny farany ny fiofanana. Nanatanteraka rodorodo ny infirmier rehetra manerana ny Nosy ho fanamarihana ny Andro […]
Toetr’andro: misy tangoron-drahona mahazo vahana
Ahitana tangoron-drahona arahi-maso akaiky ao amin’ny faritra avaratra atsinanan’i Madagasikara. Heverina ny hitomboan’izany hery, amin’ity herinandro ity, raha ny fanazavan’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Tsy mbola hanambana an’i Madagasikara kosa anefa izany ao anatin’ny 3 andro ho avy, hoy hatrany ny Meteo. Na dia efa aty amin’ny […]
Hiatrehina ny loza voajanahary eto Antananarivo: mila havaozina ny paikady fa miha betsaka ny toerana marefo
Mamparefo ny tanàna mandritra ny loza voajanahary ireo fotodrafitrasa tsy voahevitra eto Antananarivo Renivohitra. Mila fanavaozana, araka izany, ny paikady fitantanana ny loza. Manoloana ny fitomboan’ny mponina mihoapampana an-tanàn-dehibe dia mila paikady ny fitantanana ny loza. Anisan’ izany ny eto Antananarivo Renivohitra, hoy ny BNGRC. Nanatanteraka atrikasa, araka izany, ny […]




